Dian’ny mpivahiny Cameroun : fivoriana ara-potoana ny Ceta
Cameroon (anglisy), Cameroun na République du Cameroun (frantsay). Sady miteny frantsay izy no miteny anglisy. Firenena afrikana miteny frantsay, mitana ny laharana faharoa ara-indostria aorian’i Côte d’Ivoire izy. Maridrefy ahafahana milaza na mandroso na tsia ny firenena iray ny indostria. Any “équatorial” Cameroun, ao Afrika afovoany no misy azy. Amoron’ny Ranomasina Atlantika izay manamorona ny helidrano “Golfe de Guinée”. Azo adika koa hoe “Afrique noire” rehefa miresaka hoe “Afrique équatoriale”. Nanao ny fivoriana ara-potoana faha-8 tany Yaoundé ny Ceta (Conseil des Eglises de Toute l’Afrique) izay any Nairobi ny foibeny. Nandray anjara tany ny Edan (Ecumenical Disability Advocacy Network) izay tambajotra ekiomenika miaro ny zon’ny Omf ary any Genève ny foibeny. Voatendry ho isan’ny delegasiona Edan ny Mpivahiny (Razaka Ralphine Manantenasoa) amin’ny maha mpikamba mpanorina azy, sady mpandrindra ny faritra Afrika-atsinanana.
Tany lehibe.
Kely noho i Madagasikara i Cameroun ankehitriny raha ny refy sy velarany no ampitahaina satria 475.000km² sisa tavela taorian’ny fahaleovantenany tamin’ny 1960. Nisy ampahan’ny mponina nisafidy fa hiaraka tamin’ireo firenena manodidina toa an’i Nigeria, ka nofaritana ao anaty sisintany nigeriana ny ampahan-tany nonenan’izy ireny. Nigeria izay zanatany anglisy no ao andrefany ; ao avaratra i Tchad ; ao antsinanany ny République Centrafricaine ; ao atsimo kosa i Congo (Brazaville), Gabon ary Guinée-Equatoriale. Renivohitra, avo (en altitude), noho Antananarivo i Yaoundé . Seranan-tsambo lehibe i Douala, tanàna miorina eo amin’ny vinany lehibe ihaonan’ny ony maro mivoaka an-dranomasina eo amin’ny Golfe de Guinée. Manana indostria maro ireo tanàna roa ireo. Mitovitovy isa amintsika malagasy ny Camerounais (17 tapitrisa).
Firenena malaza.
Nanjary be mpahalala eran-tany izy vokatry ny zava-bitan’ireo kintan’ny zavakanto sy spaoro (Manu Dibango, Yannick Noah, Roger Miller, Antoine Bell… ny Canon sy Tonnerre de Yaoundé, ny Union de Douala, ny Sable de Batié, ary indrindra ny Lions indomptables). “Arakara-tarehy voa-javatra” hoy isika malagasy izay. Matetika dia maneho ny toe-pahasalaman’ny toekaren’ny firenena iray ny firoborobon’ny fanatanjahantena ao aminy.
Mafana mandroso.
Mafana be mandavan-taona, na ny toerana rakotr’ala sy be orana (forêt équatoriale), na ny faritra maina (savane). Azo lazaina fa matanjaka ny indostria any Cameroun. Tsy misy zavatra mandeha ila anefa fa mifampiankina avokoa, ka matoa izany no zava-misy, dia noho ny fandrosoan’ny fambolena sy fiompiana. Loharanon-karena faharoa ireo ary manaraka ny ala. Manana amby ampy eo amin’ny tahirin-karena ambanin’ny tany (metaly isan-karazany) koa izy. Mitaky fisian’ny indostria matanjaka ny fitambaran’ny fitrandrahana sy fanondranana an’ireo loharanon-karena ireo, izay manamarina ny voalaza ery ambony. Tsy mbola indostria mavesatra (sidérurgie) na mamorona sy mamokatra fiarakodia toy ny any Eoropa loatra no misy ao aminy, fa indostria manodina sakafo (alimentaires, chimiques) sy fanenonana (textiles) ary ny “usines clés en main” isan-karazany. Na izany aza anefa dia goavana noho ny any an-kafa ny «usines de montage mécanique» misy any. Mampavesatr’ila ny mizànam-barotra (balance commerciale) ny fanondranan’i Cameroun ireo hazo an’ala mafy karazana sy avo lenta toy ny acajou, ébène, okoumé, hévéa, palissandre. Manana ireo antsoina hoe «produits de luxe» toy ny faritra Sava aty amintsika koa izy (jirofo, cacao, café sns) ary manana solitany. Betsaka ny fanondranana (exportation), arak’izany noho ny fanafarana (importation).
Régime présidentialiste fort.
Toy ny ankamaroan’ny firenena afrikana rehetra dia «régime présidentialiste» no sata mifehy ny tany sy ny fanjakana (hafa noho ny “régime présidentiel” io). Vokatry ny fihanaka saika nanerana an’i Afrika ilay nantsoina hoe «Régime des Colonels» izany. Na teo aza ny totoafo nataon’ireo mpioko miteny anglisy nitaky ny fampiharana ny «fédéralisme» dia tsy naharava ny «présidentialisme de type africain» izany. Nanomboka tamin’ny 1960 nampahaleotena an’i Cameroun. Roa monja ny Filoha nifandimby teo : Atoa isany Amadou Ahidjo sy Paul Biya. Mizara «provinces» 10 i Cameroun.
Dossier realisé par Solo RABEFIRINGA