Fita-bitro !
Niarahan’ny rehetra nahita fa raikitra indray ny gidragidra nandritra ny fankalazana ny fitsingerenan-taonan’ny 29 martsa lasa teo. Manan-tantara tokoa ity daty ity ho an’ny firenena malagasy ary ahatsiarovana ireo mahery fon’ny Tanindrazana izay nanolotra ny ainy ho fanafahana ny firenena teo ambany ziogan’ny mpanjanaka frantsay. An’hetsiny na an-tapitrisany ireo namoy ny ainy. Anisan’izany ny dadaben’ny mpanoratra ity matoan-dahatsoratra vakianao izao ity. Mananaraotra ny pejy malalaka, araka izany ny mpanoratra mba hahalalan’ny maro ny sombitsombin’ny zava-nitranga tany amin’ny faritry Moramanga tany tamin’izany andro izany, ary araka ny lovantsofina napetrak’ireo zoky ray aman-dreny. Rapiera no anarana nahafantaran’ny mponina azy teo Ambohidray, tanàna 40 kilometatra miala an’i Moramanga raha mandray ny lalam-pirenena faha-44 iny. Avy eto anivon-tany no fiaviany saingy nandeha nikarama tamin’ireo voanjo tany amin’iny toerana iny izy sy ny fianakaviany, indrindra ilay rahalahiny antsoina hoe André. Anisan’ireo nohazain’ny vazaha sy sonegaly i rapiera rehefa nipoaka ny tolona tamin’ny taona 47 satria mpitari-tafika sy mpitolona Mdrm tany amin’iny toerana iny. Ny zanany lahy – rain’ny mpanoratra izay antsoina hoe Rémi – sy ilay rahalahin’i Piera, ilay antsoina hoe André, kosa no tratra teo an-tanànan’Ambohidray. Nosamborina sy nampijaliana avy hatrany izy ireo nandritra ny fotoana maro. Ny an’i Rémi, ohatra dia atao eo akaikin’ny basy marovava ny lohany ka rehefa hitifitra ireto vazaha sy sonegaly dia nampandalovina ny sofiny ny bala. Valo na sivy taona i Rémi tamin’izany fotoana izany ka asa aloha raha zakantsika ankehitriny ny maheno feom-basy mitatatata eo am-poto-tsofina izany. Inoana marimarina fa na ny jeneraly Florens aza dia hitsoaka matanjaka mihitsy. I André kosa dia nahazo karavasy matetika, amin’ilay filazan’ny ankizy ankehitrio hoe : isaka izay mahatsiaro ireto sonegaly nahazo baiko dia mikapoka hatrany. Maty noho ny ratra nahazo azy moa i André, fotoana vitsy foana ary azo lazaina fa maty tamin’ny fomba nangirifiry tokoa satria tsy misy hoe hotsaboina akory ireo ratra azo tamin’ny kapoka karavasy, hany ka nanonitra vetivety ny fery tamin’ny vatany rehetra, no sady gadra rahateo ny tena ka niaina sy nipetraka tamin’ny toerana toy ny fisoko ireny. Rapiera kosa, azo sambo-belona ihany koa tato afara ary isan’ireo notifirina tao anatin’ireo lamasinin’i Moramanga.
Dia izay izany no tantaran’ireo razambe fahiny ka mahatsiaro fa mba tena … tompony ihany ny mpanoratra rehefa tonga ny fankalazana sy fahatsiarovana ireo martirin’ity firenena ity. Ka raha toa raikitra ny gidragidra ny 29 martsa farany teo, ary nisy ny fanapoahana baomba mandatsa-dranomaso dia mahatsapa tokoa fa mbola tsy vita ny tolom-panafahana an’ilay tanindrazako. Dia marina tokoa izany raha toa ka mijery ny manodidina fotsiny ihany, amin’izato fahantrana mihoam-pampana mahazo ny mpiara-monina sy ny vahoaka malagasy. Tsy hotanisaina eto aloha androany izany karazam-pahantrana mikiky sy manafika ny isan-tokatrano izany satria mampametran-panontaniana tokoa iny raharaha iny. Maro tokoa mantsy no mba te-hahalala ny tantaran’ireo razamben’ireto mpitondra nifandimby teto amin’ny firenena, raha toa tokoa mba nandray anjara tamin’izany tolom-panafahana nifanesy izany, indrindra moa ny tamin’ny taona 47. Be ihany koa ny ny ahiahy sao sanatria ny taranak’ireo voanjo sy ny Padesm ary ireo nialokaloka tambany fahefan’ireo vazaha sy sonegaly ka namiravira sy nampitondra faisana ny vahoaka tamin’izany indray no indreo fa milaza ho tompon’ny tolona ka homem-boninahitra sy hotoloran-kaja. « Poa, poa, poa, aoka etsy, aza hitako, ary aza mahita ahy ! », hoy ny fiteny taloha fampiasan’ireo zoky. Mba eritrereto tokoa ange raha sanatria ka misy izany e ! Mety hisy haka fanapahan-kevitra ny maro tsy hanatitra voninkazo eny amin’ireny toeram-pahatsiarovana ireny intsony mandrakizay ka hanafatra ny taranaka fara-mandimby mba tsy hifidy an-dranona sy ranona amin’ny vanim-potoanan’ny fifidianana. Sa kosa ve efa lasa tia kely daholo ny malagasy sasany ka hilaza fa tsy ahoana izay tolona nataon’ireo zoky ray aman-dreny fa ireny aza nanaonao foana?
Ny azo antoka aloha dia sahala amin’ny tsy misy idirin’ireo fijaliana nihatra tamin’ireo mpitolona tamin’ny taona 47 ny zava-niseho tamin’ny fankalazana ny faha-29 martsa tamin’ity taona 2016 ity satria manam-boninahitra ambony, zandary roa nifampizaha hery teny an-kianja. Kanjo rehefa tonga ny faran’ny herinandro dia indro ireto izy fa toa nifampitsikitsy indray. Ka na marina izany na tsia dia maro no mahatsiahy ny fomba fanaon’ireo mpanao politika eto amintsika izay milalao vahoaka fotsiny ihany. Izay fomba izay no antsoin’ny rehetra hoe fita-bitro ary ireo izay mafana fo no migoka ny mangidy.
Jean Luc RAHAGA