Nanary lakile !
« Izaho no tompon’ny lakile ! », hoy i Dah-Mama izay ary dia tena nalaza tokoa nanomboka teo io fomba fiteny iray io. Raha azon’ny mpanoratra tsara ny tian’ny mpihira holazaina dia tantara iray mahatsikaiky tonga amin’ny fitenenana hoe : « An-tratra tsy manitra ka lasa vao mamerovero » ! Ny lesona azo tsoahina mazana amin’ny tantara toy itony dia voafehin’ny tenin’ny Ntaolo manao hoe : « Tano ny azo fa sarotra ny mila ». Dia tena marina tokoa izany amin’izao fotoan-tsarotra lalovan’ny isam-baravarana izao, raha ny resaka asa, ohatra, no resahina. Tena marina mihitsy izany eo amin’ny tontolon’ny politika satria raha mitsingidina amin’ny seza, indrindra moa raha irony vita amin’ny hazo sarobidy irony, dia efa karazan’ny manao veloma ka ho mandrakizay amin’ilay toeram-boninahitra. Diniho tokoa ange ny mahazo ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana e! Nirehareha fatratra ny lehilahy fony mbola nitantana ny firenena ary tena namatrapatratra mihitsy. Tsy tambo isaina, ohatra, ireo olona naidiny am-ponja ka nitondra ny mafaitra: teo ireo manam-boninahitra miaramila sy zandary voatendry ka niara-niasa tamin’ny Amiraly Didier Ratsiraka tany amin’ny taona 2002 ka hatramin’ny taona 2004, ireo minisitra, mpanolo-tsaina, mpikambana kabinetra tany amin’ireo minisitera maro, eny fa hatramin’ny praiminisitra Tantely Andrianarivo aza. Tato afarafara, nampidiriny an-tranomaizina ihany koa ireo olobe nanohana azy : depiote sy manam-boninahitra hafa toa an’i Jeneraly Fidy sy ry Voninahitsy Jean-Eugène. Ankoatra izay dia … napoakany ihany koa ny orinasa maro samihafa ary nalainy ny tanimbary amin’ny analin’ny hektara tany Alaotra tany. Nesorina teny amin’ny Rova Manjakamiadana ny razan’ireo masina ka nafindra an-tsokosoko tsy nisy fierana akory tamin’ireo taranak’Andriana sy ireo voakasika akaiky amin’izany resaka izany rehefa nitombo ny faniriany. Tsaroana fa saika hamidin’Ingahy io tamin’ny kely maso koreana tatsimo ny tany be erak’i Madagasikara, tany amin’ny taona 2008 tany ary teo no nidoboka ny fitondran-dRavalomanana Marc. Very teo izany ny lakile, na koa ny tena marimarina kokoa nariany ny lakile ka lasa nanavotra ny ainy Ralehilahy. Rehefa tafatsoaka tany Afrika Atsimo Ranamana dia tany indray izy no nanao angoan-tenda nilaza fa mbola filoha, hono. Izay ilay tonga amin’ny ohabolana voalohany voalaza etsy ambony, ary hatramin’ny fotoana niverenany izay mbola an-tsokosoko ihany koa – teto amin’ny Nosy dia tsy nitsahatra nanozongozona ny fitondrana ny lehilahy. Mazava ny tena tanjony fa “mitady ny very” ary dia tena mihevitra mihitsy fa mila azy ny vahoaka Malagasy. Asa aloha raha tsapany fa tena diso tanteraka mihitsy izany eritreritra ataingina izany. Mety tsy nisy tokoa angamba nilaza taminy fa nandihy ange ny vahoaka teto, tsy ny faritany dimy ihany fa Antananarivo indrindra koa rehefa nandositra io Ranamana io. Etsy andaniny, mety tsy dia mahita angamba ny masony fa raha ny olona manodidina ny vadiny, izay ben’ny tanàna, dia mahagaga ny maro fa toa rangahy fotsy volo avokoa na sola be ihany koa! Ka ny nahalany ny vadiny teto Antananarivo no heverin’ny ekipan’ny antoko politikany fa tondro feno hahafahan’Ingahy Ravalomanana fa mbola tena mamim-bahoaka izy. Dia mbola tena diso tanteraka ihany koa izany satria maherin’ny antsasa-manilan’ireo manan-jo amin’izany dia tsy tonga nifidy. Ankoatra izay dia mimenomenona mafy ny mponin’ny renivohitra fa olona kamo no nofidian-dry zareo satria sady tsy mandroaka fako no tsy manadio lakan-drano. Manginy fotsiny ny fitohanan’ny fifamoivoizana ary toa malaza ho be afera ireto izy satria tapitra namidiny ny parking rehetra eto Iarivo. Dia izay no ilazana fa raha ny maro no eo amin’ny toeran’Ingahy io dia aleo manaja tena amin’izay, toy izay mbola hilingilingy indray hanatona ny vahoaka.
Fa tsy ny very seza vita amin’ny hazo sarobidy ihany no malahelo rehefa mandalo io fotoana fanaovam-beloma io. Mahatsiaro tena ho farahidiny ihany koa ireo very seza tsotra, seza bory sy seza volamena ary miezaka miaro mafy ny toerany alohan’ny hahatongavan’io fetra farany io. “Fika” iray efa hita izao ny maharatsy azy kanefa mbola misy manao ihany ohatra, ny mamory ireo mpiray fiaviana ka manao fanasana arahina sakafo mafilotra sy zava-pisotro. Mihevitra ny mpanasa amin’io fotoana io fa raha maro ny vahiny tonga dia midika izay fa afaka manangan-tsandry sy mitabataba izany. Hevitra hafa hita tato ho ato ihany koa ny filazana fa manohana na tsia ny fiangonana izatsy na izaroa. Mazava ho azy fa tsy ireo fiangonana zandriny akory no resahina eto fa ireo izay ao anatin’ny Ffkm. Maro araka izany ny fomba azo atao mba … “hanindriana” kanefa midika ihany koa ireo fihetsika rehetra ireo fa efa vita ny lamesa ary efa … very ny lakile. Tonga amin’ny fitenin’ny rehetra hoe : mapme!
Jean Luc RAHAGA