Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Fangalarana, fisolokiana, fandrobana – Karohina fatratra ny vehivavy iray misandoka ho “huissier”

Karohina fatratra amin’izao fotoana izao ny vehivavy iray, noho ny fisandohana ho “huissier”. Isany maha-voarohirohy azy ihany koa, ny fangalarana, fisolokiana ary fandrobana. Manana karapanondro miisa 3 sy karatra maha “huissier” izy ary miara-miasa amina ekipa maromaro. Ity farany izay milaza fa mivarotra fiara.Maka vola amin’ireo mpividy izy nefa zavatra tsy misy akory. Olona iray voasoloky vola 30 tapitrisa ariary no nametraka fitarainana avy hatrany teny amin’ny mpitandro filaminana ka nahafahana nanokatra ny fanadihadiana. Nandritra izany no nahalalana fa efa maro ireo olona voarebirebiny ary nisy tamin’ireo no lasa vola 12 tapitrisa sy 18 tapitrisa ariary. Misy amin’ireo lasibatra koa no voalaza fa omen’ireo olon-dratsy zavatra mampatory ary rehefa renoky ny torimaso amin’izay dia angalarin’izy ireo ny vola.

Ny mahagaga anefa dia manana taratasy avy any amin’ny seranam-tsambo ilay vehivavy manamarina ny maha “huissier” azy nefa tsy voarakitra an-tsoratra izany. Manana taratasin’ireo fiara ihany koa izy nefa mifindra monina rehefa azony ny vola. Fantatra fa tsy mijanona amin’ny toerana iray fa mifindra foana izy ireo rehefa avy mahavoa olona iray.  Ankoatra ny eto an-drenivohitra dia midina any Mahajanga, Toamasina, Taolagnaro sy Toliara izy mitady indray izay harapany. Mandeha ny fikarohana azy amin’izao fotoana izao.

 

L.N

 

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre