Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Sambava – Pasitera nahatrarana lavanila maitso

Pasitera amina fiangonana zandriny iray no nosamborin’ny andrimason-pokonolona ao Antsahalalina, Kaominina ambanivohitra Ambohimalaza, distrikan’i Sambava, ny faran’ny herinandro teo rehefa nahatratrarana lavanila maitso. Andian’ankizy sendra nilalao teo an-tokontanin’Ingahy pasitera no nahita lavanila maitso niparitaka teny aminy, ka namepetra ireo ankizy mba tsy hiteniteny amin’olona izy. Tsy nahafehy volana anefa ireo zaza ka niparitaka ny feo ary tonga hatrany ampoton-tsofin’ireo andrimasom-pokonolona. Nidina teny amin’ny toeram-ponenan’ny pasitera ireto farany nanamarina ny trangan-javatra.

Efa mailo anefa ilay mpitarika fiangonana fa nanjavona ireo lavanila teo an-tokontany. Nahamahina ny olona izany ka niangavy an’i pasitera hamoha ny tranony ny solontenan’ny fokonolona mba hahafahana manao ny fisavana. Nahitana ampahana lavanila maitso tokoa tao an-tranony rehefa nojerena. Nosamborina ny tenany, nentina natao famotorana. Niangavy mafy anefa i pasitera mba tsy haterina any amin’ny mpitandro filaminana fa « tsy misy olombelona tonga lafatra eto ambonin’ny tany », hoy izy. Notazomin’ny andrimason-pokonolona izy, ka ny alatsinainy 4 aprily teo no natolotra ny mpitandro filaminana natao famotorana.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre