Vous êtes ici :

Samedi 23 Novembre 2024

ombre

Toamasina – Ilan-tanana hita teny amoron-dranomasina

Nanaitra ny maro ny fahitana ilan-tanan’olona havia, teny amoron-dranomasina, manakaiky ny hopitaly be, tany Toamasina, ny faraparan’ny herinandro teo. Tsy fantatra na avy taiza na avy taiza fa nipetraka teo amorom-pasika izany. Nampandre ireo tompon’andraikitra avy hatrany ireo izay nahita maso. Nidina teny an-toerana ny Bmh nanao ny fizahana. Ahiana ho maty an-drano ka lanin’ny trondro na maty nisy namono dia natsipy tany anaty rano ny olona izay tompon’io tanana io, araka ny fanazavan’ny Bmh any Toamasina. Hay tamin’izany ihany koa fa tanana misy kilema ity hita ity ary tanan-dehilahy, ny vatany kosa tsy hita. Teo anatrehan’izany dia nandray fepetra ny Bmh nandevina ilay ilan-tanana any amin’ny fasan’ny kaominina any an-toerana.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre