Vedety nitondra vahiny tsy fanta-piaviana – Nisahotaka ny mponin’Ambodiatafana
Nivarahontsana ny iray tanàna, tany Ambodiatafana, distrikan’i Toamasina, ny talata lasa teo rehefa nahita vedety haingam-pandeha niantsona teo amin’ny torapasika. Tranga tsy fahita ka nahavariana sy nampatahotra ny maro. Nitondra vahiny tsy fanta-piaviana ity sambo kely ity ary tsy niteny gasy na frantsay fa teny tsy fahenonin’ny mponina mihitsy no nampiasain’izy ireo. Teo anatrehan’izany, nandeha ny feo sy ny ahiahy amin’ny mety mahaterorista ireto vahiny ireto. Natahotra ireo mponina fa sao olona handeha hanao zavatra tsy mety ao an-tanàna ireto vahiny ireto. Nampandre avy hatrany ireo manam-pahefana, toy ny zandarimaria, ny polisy misahana ny fanarahamason’ny sisintany sy ny fifindra-monina, tamin’ny alalan’ny antso amin’ny finday ireo mponina. Hatramin’ny omaly anefa mbola tsy nisy iraka tonga avy amin’ny manam-pahefana mba hijery ifotony ny zava-misy. Miaina ao anaty tebiteby tanteraka ireo mponina ao amin’ny tanànan’Ambodiatafana satria tsy fantatra ny tena anton-dian’ireto vahiny ireto. Araka ny angom-baovao voaray avy any amin’ny fokontany iray any an-toerana dia natory tao amin’ny teratany kreola iray nanaiky handray azy, ireo vahiny ireo. Mipetraka ao an-tsain’ny maro ny fanontaniana hoe : Hatao inona ireo vedety haingam-pandeha miisa 4 notokanan’ny filohan’ny repoblika raha tsy hisy ny fandraisana andraikitra amin’ny toe-javatra tahaka izao?
Laurena Nany