Lalan-dririnina !
Mitodika eny amin’ny antenimieram-pirenena indray ny mason’ny mpanara-baovao tao anatin’ny 48 ora izay. Mazava ho azy fa mikasika ny fanalàna na ihany koa ny fialàn’ny lehiben’ny governemanta no resaka eto ary dia tena resa-be tokoa ange izany nandritra ny volana maromaro izay. Tsaroana, ohatra, tany alohan’ny fiafaran’ny taona lasa iny fa efa maro ny lahatsoratra an-gazety avy amin’ny fanehoan-kevitra maro samihafa izay nitaky ny fialan’ingahy Jean Ravelonarivo. Nihamafy io fitakiana io tato ho ato ary tena izao tonga eny amin’ny lapan’ny demokrasia eny Tsimbazaza izao ny raharaha. Araka ny lalàm-panorenana tokoa mantsy dia ny solombavam-bahoaka no manolotra ny anaran’ireo izay azo tendrena ho praiminisitra saingy tsy voafaritra kosa raha toa ka tsy maintsy mampiantso fivoriana manokana na koa anatin’ny votoam-pivoriana tsotra no tokony hanaovana izany. Betsaka, araka izany no milaza fa tsy ilaina ny fampiantsoana fivoriana fa ireo vondrona parlemantera ihany no mifamory hanolotra io anarana io dia anjaran’ny filoham-pirenena no manendry. Mbola anjara asan’ny filoha ihany koa no manaisotra ny lehiben’ny governemanta.
Raha ny re izao tamin’ny marainan’ny alarobia farany teo dia nisy ny ekipa avy ao amin’ny fiadidiana ny lapa eny Mahazoarivo fa efa mandeha ny resaka amin’ny fomba hitazonana an’Ingahy Ravelonarivo. Nitohy omaly alakamisy izany ary voalazan’ny loharanom-baovao fa miditra amin’izay ny resa-bola sy ny fampanantenana maro samihafa amin’ny ho avy mamiratra ho an’ireto solombavam-bahoaka. Voalaza mihitsy aza fa idiran’ny resaka fiaviana sy firazanana ny raharaha, ankoatra ny adilahy politika. Dia tonga izao fanomezan-toky rehetra izao fa ampitomboina isa ny mambran’ny governemanta ho an’ny antoko izatsy na izaroa.
Raha izany tokoa ny marina dia azo lazaina fa mbola tsy niova mihitsy ny fanaovana politika eto Madagasikara fa ny fikafika hatrizay ihany no mbola aseho masoandro ankehitriny. Tonga amin’ny fitenin’ny ankizy hoe : « film efa nandeha » tokoa raha izao miseho satria raha ny resaka fivezivezen’ny mallette, ohatra, dia efa tena im-betsaka no nitranga teny amin’io lapa iray io. Tonga ihany koa amin’ny fitenin’ny ankizy hoe : « vakiana fotsiny » ny fihetsiketsehana atao rehetra, na ny amin’ny andaniny izany na ihany koa amin’ny ankilany. Dia manontany tena ny valala tsy mandady harona fa hay ve ka misy vola azo zaraina foana ihany rehefa « mihozongozona » ny seza e!
Fa ny tena mahazendana ihany koa dia ity olana iray ity miverimberina satria dia toy izao ihany koa tamin’ilay « iraika lahy taloha teo » ka nila nanao « kopo-soroka » ihany koa ny mpandidy mpanapaka izay vao nahatsapa-tena fa tokony hiala … ilany ! Any amin’ny firenen-kafa aloha tsy dia ahitana tranga firy toy izao satria tokoa angamba manjaka tokoa ny demokrasia ary mahay mamaky teny daholo ny olom-boatendry. Azo akana lesona ihany tokoa ny toy izao dia ny amin’ireo olona homena fahefana satria aoka tsy ho adino fa eto amintsika dia midika ho fihinanan-kanina ny miditra ao anatin’ny fitondrana. Resaka fotsiny izany fampandrosoana izany fa rehefa voky, izany hoe mahazo hery ny olona iray, dia ny hitokona ao an-trano hihinana lava no tiany atao. Tsy ny olom-boatendry ihany no manao izany fa ireo izay voafidy mihitsy aza no tena mamoan-tsampona. Ireny, ohatra, maro niseho teto amin’ny firenena ireny dia zary lasa ho fitsipi-piainana sy fitsipi-pitondrana mihitsy aza ho an’ireo tato afara. Izay ilay lalan-dririnina nahatonga ny Ntaolo nanafatra ny taranaka kanefa vao maika aza ataon’ireto farany fanahy iniana mihitsy ny mampiantra azy. Tokony hifanaja ihany koa satria, manome ohatra ratsy ny dimby sy fara isika e! Ny isavorovoroan-kilantoana, hoy ihany ny ohabolan-drazana kanefa toa savorovoro lava izao no iainan’ny vahoaka Malagasy, ka rahoviana ihany izany vao hilanto ny valalabemandry? Tsy misy tokoa herinandro iray mba ilaminan’ny saina fa ankoatran’ny hazakaza-dava amin’ny ady amin’ny fahantrana sy ny tsy fisiana dia mbola mikorontana foana ihany koa ny tontolo politika misy eto amin’ny nosy. Mazava fa tsy mahasoa ny firenena izao tranga izao ary vao maika aza mampikatso ny fiainam-pirenena. Tsy ilaina araka izany ny famindrana ny kianja fifandirana eny amin’ny antenimieram-pirenena eny satria dia hitombo 150 indray izany izao ny mpifanandrina amin’ity raharaha ity. Izay no ilazana fa aoka hiala amin’ilay lalan-dririnina fa vao maika mitarika henatra ho an’ny vahoaka.
Jean Luc RAHAGA