Vous êtes ici :

Samedi 23 Novembre 2024

ombre

Ambohidratrimo – Tsena roa lasibatra ny asan-jiolahy

Nirefodrefotra ny poa-basy. Miverina amin’ny heriny indray ireo jiolahy any amin’iny distrakan’Ambohidratrimo iny. Tsena roa, tao amin’ny fokontany Fiadanakely, kaominina Mahitsy no indray lasibatra ny andian-jiolahy nirongo basy, ny fiandohan’ny herinandro teo, tokony ho tamin’ny misasak’alina. Valo lahy nitondra basy poleta vita gasy sy famaky ary sabatra no nanesy nanafika ireo tsena roa ireo. Nanambana basy ireo tao an-trano avy hatrany ireo olon-dratsy vantany vao tafiditra sady nandrahona hamoaka ny fananana. Mamy ny aina ary tsy ananam-piry ka nitolefika teo anatrehan’ireo mpangalatra izy ireo. Vokany, lasan’ireo jiolahy tamin’ny fivarotana voalohany, ny vola mitentina 500 000 ariary sy toaka iray « cageot » ary sigara telo karitosy. Lelavola 300 000 ariary sy finday iray kosa tamin’ny tsena faharoa. Tsy nisy ny aina nafoy na naratra fa efa lasa lavitra ireo mpandroba vao sahy nampandre ny mpitandro filaminana izy ireo. Misokatra ny fanadihadiana.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre