Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Hasarotam-piaro – Nokapain’ilay lehilahy famaky ny rafozany

Nisehoana vono olona mahatsiravina, tany amin’ny kaominina Bekobay, distrikan’i Mahajanga II, ny alarobia lasa teo, tokony ho tamin’ny 2ora maraina tany ho any. Raim-pianakaviana iray no maty tsy tra-drano, noho ny hetraketraky ny vinanto lahiny. Hasarotam-piaro tafahoatra tamin’ny tsy fahitan’ity farany ny zanak’ilay raim-pianakaviana no voalaza fa nahatonga ny famonoana. Reraka nitady ilay vehivavy eran’ny tanàna ilay lehilahy saingy tsy hitany tamin’ny toerana nitadiavana azy mihitsy. Nokarohiny tany an-tranon-drafozany anefa ramatoa ka tratrany tao. Notaominy handeha hiaraka aminy ilay vehivavy avy eo nefa tsy nety. Niezaka niaro an-janany ilay raim-pianakaviana ka nokapain’ilay vinanto tamin’ny famaky ary maty teo no ho eo. Nisafoaka tamin’izany ilay vehivavy ka raikitra ny fifanjevoana, izay niteraka faharatrana taminy. Marihina fa vadiny teo aloha, efa nisarahany io vehivavy io. Efa manaraka fitsaboana any Mahajanga ilay naratra.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre