Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Rava ny tsena !

Rehefa nifandrirarira amam-bolana maro dia tapaka ny tady ary tsy hay navitrana intsony ny lamban’ny fihavanana izay efa nanify sy niha-rovitra tsikelikely teo amin’ny Filoham-pirenena sy ny praiminisitra. Niezaka nanafina ny fisian’ny disadisa ihany ny roa tonta mba hampitoniana ny raharaham-pirenena sy ny sain’ny vahoaka saingy nihitatra ny tsy fitovian-kevitra ka voatery tamin’ny fandaozan’ny praiminisitra ny samboben’ny fitondrana. Nahery loatra ny onjan’ny tsy fahombiazana sady tsy nahomby rahateo ny kapitenin-tsambo ka voatery  nametra-pialana ny Governemanta mba tsy haharendrika tanteraka ny firenena. Voaporofo teto fa tsy mitombina ilay fanindrahindrana ny fisian’ny fahamarinan-toerana ara-politika eto Madagasikara. Na ny mpitondra na ireo masoivoho vahiny sy ny mpiara-miombona antoka ara-tekinika sy ara-pamatsiam-bola raha nandokadoka fa milamina ny ara-politika eto amintsika dia samy diso avokoa satria tena mikorontana ny ara-politika eto Madagasikara. Hay ny tao anaty fitondrana mihitsy no efa nokikisan’ny aretin’ny fizarazarana sy ny tsy fifampitokisana ka niafara tamin’ny firodanan’ny Governemanta. Azo sokajiana ho toy ny kilalaon-jaza  ihany ity resaka fametraham-pialan’ny praiminisitra omaly ity satria miovaova be ny heviny. Tamin’ny voalohany, nilaza fa tsy nanao izany izy ary avy eo indray dia niteny fa nohon’ny tombontsoa ambonin’ny firenena dia hametra-pialana ihany. Mety anefa ny fanapahan-keviny na dia efa tara aza satria aleo mampandefitra ny hambom-po toy izay hiray tsikombakomba amin’ny faharendrehan’ny firenena. Nahery vaika sy nanampim-bava ny vahoaka mantsy iny Governemanta iny ary tsy namela, na iza na iza haneho hevitra an-dalam-be fa avy hatrany dia mampiasa hery raha vao misy mikasa hanao fihetsiketsehana. Diso ihany izay fomba fanao izay raha izao zava-mtranga izao no jerena satria tsy nila fitokonana dia nirodana ilay Governemanta nolazaina fa mafy orina sy miray hina ary tena nahavita be tsy nisy toa azy.

Rava ny tsena nanomboka omaly ! Dia mbola sahy hilaza ve ny Filoham-pirenena fa taom-piotazana ity taona 2016 ity ? Izy irery no mahavaly izany fa ny irarian’ny maro dia ho lasa miaraka amin’iny Governemanta tsy nahomby iny ny fahantrana sy ny tsy nety rehetra. Tsy ny praiminisitra, sanatria, no tsy nahomby fa ilay Governemanta iray manontolo mihitsy no efa tsy nahay niasa sy tsy nahay niaraka. Mipetraka kosa anefa ny fanontanina hoe hahavita tsaratsara kokoa noho iny ve izay governemanta vaovao hatsangana eo ? Raha ny lojika no jerena dia sarotra inona ny hahatanterahan’izany satria tsy ireo minisitra teo aloha no tsy mahay fa ny fomba fitantanana ity Repoblika fahefatra ity hatrany am-boalohany mihitsy no tsy mazava sy tsy marin-toerana ka izay no antony tsy isian’ny asa fampandrosoana. Nifantoka be loatra tamin’ny fahaizany sy ny herin’ny tenany ary ny fanohanan’ny sehatra iraisam-pirenena ity fitondrana ity ka tavela teo satria tsy nahomby ny tetika. Lasa resa-be sy fihetsiketsehana fotsiny ny zava-nisy fa tsy hita fototra mazava izay tena fiantraikan’izany mivantana tamin’ny asa fampandrosoana. Izany hoe raha te hitondra fiovana ao anatin’ny fotoana fohy ny Filoham-pirenena dia mila mitodika amin’ny vahoaka malagasy amin’izay. Mila misokatra amin’ireo ankolafin-kery hafa izay manana traikefa sy manana olona manam-pahazaina afaka hanarina miaraka ny firenena. Mila manao laharam-pahamehana, ihany koa, ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka. Izany hoe ny sosialy, ny fahasalamana, ny fandriam-pahalemana ary ny famoronana asa ho an’ny olona rehetra tonga taona tsy maintsy hiditra eo amin’ny sehatry ny fihariana. Azo atao tsara ireo rehetra ireo raha misy ny fitantanana mahomby sy mangarahara ny harem-pirenena ka hanajanonana amin’izay ny kitranoantrano eo anivon’ny fitondrana. An’arivony mantsy ireo olona nomena asa sy toerana eny anivon’ny minisitera rehetra eny satria mahafantatra sy manana fifandraisana amin’ireo minisitra nifandimby. Mila ravana ihany koa ny tsenan’izy ireny satria mitsentsitra fotsiny ny volam-panjakana nefa tsy hita izay tena asa natao ho an’ny vahoaka teo. Aoka mba ny tena mahay sy mahavita no homena asa eo anivon’ny sampan-draharaham-panjakana isan-tsokajiny fa tsy izao havana aman-tsakaizan’ny mpitondra rehetra izao.

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre