Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Nianatra familiana – Tsy nijanona raha tsy teo ambony fandriana ilay Sprinter

Fianarana namily fiara niafara tamin’ny lozam-pifamoivoizana. Tany amin’ny fokontany Antanambao, manakaiky ny sinibendrano, ao an-tampon-tananan’Ambatondrazaka no nisehoan’izany ny alakamisy hariva lasa teo, tokony ho tamin’ny 6ora sy 30 mn. Mbola tsy nahafehy tsara ny familiana ka nifatratra tamin’ny tokantrano iray tany an-toerana, ny fiara marika Mercedes Sprinter ary tsy nijanona ny lohan’izany raha tsy teo ambony fandriana. Soa fa mbola tsy nisy olona natory teny ambonin’izany farafara izany fa raha tsy izany angamba dia asa izay loza niseho. Marihina fa tsy trano amoron-dalana ity voadona ity fa anaty tanàna ary misy tatatra mirefy eo amin’ny 4m eo nefa voasongon’ilay  fiara. Tsy nisy ny aina nafoy na naratra teo amin’ny andaniny sy ny ankilany fa potika sy rava tanteraka ilay trano. Nahitana fahasimbana kely ihany koa ny lohan’ilay Sprinter. Nidina teny an-toerana ny mpitandro filaminana nanao ny fizahana sady nisambotra ilay mpamily. Notazomina ao amin’ny biraon’ny polisy izy anaovana fanadihadiana.

 

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre