Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Notorahan’ny dahalo fanoto – Lehilahy iray nipotsaka atidoha

Nisehoana fanafihana mitam-piadiana, tao amin’ny tanànan’Ambohindranovita, kaominina Andolofotsy, distrikan’i Miarinarivo. Enin-dahy nitondra basim-borona roa no niditra an-keriny tao amin’ny trano fonenan’ny lehilahy iray, ny alin’ny alarobia lasa teo, tokony ho misasak’alina. Nanapoaka basy in-droa ireo dahalo mialohan’ny hiditra ilay trano. Lehilahy iray hafa vahinin’ny tompon-trano no notorahan’ireo olon-dratsy fanoto teo amin’ny lohany. Vokany, vaky ny lohany ary nivoaka hatramin’ny atidohany. Nifamonjena nentina teny amin’ny CsbII Andolofotsy ilay naratra saingy teny an-dalana ihany dia votsitra ny ainy.

Araka ny fanadihadiana, ahiana ho valifaty noho ny disadisa tamin’ ny tompon-trano sy ilay mpanafika no antony namonoana ity vahiny ity satria tsy naka na inona na inona tao an-trano ireo dahalo fa nandositra avy hatrany rehefa nahavoa. Iry voalohany koa nitsoaka tsy hita popoka taorian’ity fanafihana ity nefa lazaina fa fati-drany io namoy ny ainy io. Mitohy ny famotorana sy ny fitadiavana ireo olon-dratsy sy ny tompon-trano.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre