Miteny gasy !
Niova mihitsy ny fahaizana sy fifehezan’ny ankizy ankehitrio izany teny malagasy izany. Amin’ny lafiny iray aloha dia eo ny fandrosoan’ny teknolojia izay ireto ankizy, indrindra ny aty an-tanan-dehibe, no tena mahafehy azy bebe kokoa, noho ny ray aman-dreny ary raha atao indray mijery monja ny fomba fampitana ireo vaovao, eny fa na dia resadresaka fotsiny aza, dia tena fanina tokoa ny olon-dehibe. Zary mampatsiahy io fomba fanoratra sy fiteny io fa safiotra tokoa ange ny Malagasy. Safiotra avy any amin’ny razambe io tiana resahina io satria rà sy loko mifangaro no nahatonga ity firenena ity : eo ny avy any amin’ny ilany atsinanan’ny tany, teo koa ny avy etsy Afrika. Misy koa ny manakaiky lokom-bazaha izany hoe fotsy no mena. Ankoatra izay ireo kely maso maro nandalo sy nametraka tantara. Tsaroana amin’izany resaka izany, ohatra, fa nisy fotoana ny revolisiona sosialista malagasy niara-niasa akaiky tamin’ireo vietnamiana. Hany ka tato afara be ireo zaza efa lasa olon-dehibe ankehitriny manana izany endrikendrika izany, indrindra any amin’iny faritry Mangamila sy Anjozorobe iny, izay toerana namolavolana ny tetik’asa fambolem-bary. Fa raha iverenana ny fomba fanoratra sy filaza ny teny malagasy amin’izao fotoana izao dia efa tena niova tokoa. Eo aloha ny fampianarana sadasada niainga tamin’ny fanagasiana izay tsy nahatody lavitra akory. Tsy nivadika ny taona folo dia nihemotra ny mpitondra, hoe nosy indray ny tanintsika ka aleo fehezina ihany koa ny fitenim-pirenena hafa. Vokany, mpianatra an’aliny no sady tsy mahay teny gasy no mibadabada teny frantsay. Ka rehefa nirosoana indray izany ny fampianarana amin’ny teny frantsay dia nahagaga fa mbola mitovy amin’izay ihany ny vokatra. Ny olana dia mazava ho azy fa na ny mpampianatra izay nolazaina aza fa manana ny fahaizana hampita ny fahalalana dia tena sahirana satria dia nalain-tahaka be fahatany amin’ny an’ireto ny programa vazaha. Mba jereo kely indray mandeha tokoa ny sekoly fanabeazana fototra any ambanivohitra rehetra any. Ny ohatra alaina eto dia itovizan’ny sekolim-panjakana rehetra : tsy misy intsony na iray na roa sisa ny mpampianatra tena nahazo ny fiofanana feno hahatonga azy ireo hanabe any amin’ireo sekoly ireo. Ankoatr’izay dia efa nahazohazo taona daholo ny ankamaroany ary inoana fa tsy hahavita taona maro intsony alohan’ny handehanana hisotroana ronono amin’izay. Hany hery dia mijery izay mba olona nandia fianarana tao an-tanàna, mba hameno ny banga ao amin’ny sekoly kanefa anie dia ny fahaizana zara raha misy e! Lasa kitoatoa noho izay antony izany ny fampianarana iray manontolo ary raha toa ka hanadina ny vitsivitsy amin’ireny mpampianatra nosambosamborina ireny ny avy aty amin’ny ministera foibe dia ho vaky ambatolampy eon y raharaha. Ny tontolo samihafa fotsiny, ohatra dia efa mahavery ireto mpampianatra ny fandikana ny teny maro mahakasika an’izany amin’ny fitenin-drazantsika no sady sarotra ny hieritreritra fa hoe misy tany any ho any misy an’izany hoe ranomandry indraindray. Ny malaza aloha aty amintsika dia tsy ampy ny rano no sady matetika miloko mavo na mena ihany koa fa tsy mba mangarahara toy ireny sary anaty boky ireny. Tsy mipetraka akory ny fampitahana e ! Sady aiza koa izao no mety hahitana ireny akanjo mafana tsara ireny satria ny eto Madagasikara aloha hatramin’izao dia mbola mitafy voro-kitsay daholo ihany ny mpianatra rehetra any ambanivohitra any.
Fa ny tena loza rey olona dia ity : sambany ny firenentsika nanana mpitondra izay voalaza fa malagasy kanefa dia tena sahirana mihitsy rehefa miteny gasy. Ekena tokoa aloha fa raha vao malagasy nipetraka elaela tany an-dafy dia eritreretina foana fa manan-kaja izay ary nahita fahalalana sy fivoarana. Kanefa dia tsy tokony ho antony izany amin’ny tsy fahafehezana ny tenin-drazana, indrindra raha mitàna andraikitra ambony amin’ny firenena. Sahirana mafy mihitsy ny mpanao gazety maminany ny tian’ity tompon’andraikitra ity hambara satria dia mazàna resaka tsy tonga volana lava no aloaky ny vavany. Indray andro izay aza dia tsy maintsy nihaona tamin’ireo solombavam-bahoaka razoky ity satria voatery hamelabelatra ny programan’asan’ny ministerany. Saika rava ny tsena tamin’izay fotoana izay satria ireto depiote ihany koa tsy dia havanana loatra amin’ilay teny iraisam-pirenena. Raha izay izany no halalinina dia tsy mba nisy na dia iray akory aza mpanolo-tsaina azy mba nanoro hevitra ny amin’ny tokony hamerenana indray ny fianarana ny teny Malagasy ho an’ireo mpitondra. Amin’ny lafiny iray ihany koa dia tsy tokony homen-tsiny ny zaza taty afara raha toa ka mba tsy mahay sy tsy mahafehy ny teniny satria ny lehibe no tahafin’izy ireo.
J.L.R