Vous êtes ici :

Vendredi 29 Novembre 2024

ombre

Ambilobe – Mpivaro-mandeha iray natelin’i Mahavavy

Namono olona indray ny reniranon’i Mahavavy, mandalo an’Ambilobe. Renim-pianakaviana iray izay  mpivaro-mandeha avy aty Antananarivo no maty natelin’izany renirano izany, ny sabotsy maraina lasa teo. Nandeha nilomano teo ambany tetezan’i Mahavavy manakaiky ny tobin-tsolika “Jovenna” izy dia tsy niverina intsony. Natao avy hatrany ny fikarohana fa hatramin’ny omaly anefa, fotoana nanoratanay ity lahatsoratra ity dia mbola tsy hita ny fatiny. Omaly dia nanambara ny havany fa omena valisoa mitentina 1 tapitrisa Ariaryizay olona mahita ny fatiny.

Efa fomban’ny reniranon’i Mahavavy ny maka olona toy izao, araka ny fanazavan’ireo tompontany any Ambilobe, indrindra rehefa fotoanan’ny fararano. Jerena marivo mantsy ny rano rehefa lasa ny orana kanefa misy faritra tena lalina tokoa.

Mpianatra telo vavy no indray natelin’ity rano ity tamin’ny herintaona toy izao, hoy ny loharanom-baovao.

 

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre