Vous êtes ici :

Vendredi 29 Novembre 2024

ombre

Fahatratrarana basy – Lehilahy iray sarona niaraka tamin’ny basim-borona sy poleta

Tany amin’ny kaominina Amboasary, distrakan’i Moramanga, ny alakamisy lasa teo, no tra-tehaky ny zandary, ny jiolahy iray mitam-basy. Fanomezam-baovao avy amin’ny kaompania Moramanga fa misy mikonokonona hanao asan-jiolahy any an-toerana no nahafahana nisambotra ilay olon-dratsy. Nandefa mpikaroka avy hatrany mantsy ny mpitandro filaminana ka voamarina fa efa-dahy izy ireo no ao amin’ity tarika mpanao ratsy ity izay mikasa hanao fanafihana fa io iray io ihany no voasambotra. Natao ny fisavana ny tranony ka tamin’izany no nahitana basim-borona miisa 2 kalibra 12 sy basy poleta 9mm vita gasy iray.

Notanana ao amin’ny kaopania Moramanga ilay jiolahy natao famotorana ary efa mandeha ny fikarohana ireo namana telo hafa.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre