Maevatanana – Saofera maty teo am-pamiliana
Mpamily iray no nindaosin’ny fahafatesana tampoka teo am-pamiliana fiara, ny zoma alina teo, tokony ho tamin’ny 11ora sy sasany ; miasa ao amin’ny zotra iray mampitohy ny renivohitra sy Antsohihy izy io. Niainga teto Antananarivo ny fiara ny zoma, tamin’ny 3ora tolakandro ary salama tsara ilay saofera. Gaga anefa ny mpandeha teo akaikiny sy ny mpamily mpanampy raha nahatsikaritra fa efa tsy miaina intsony izy ka nisahotaka avy hatrany ny iray fiara, nony tonga tany Maevatanana. Tsy nandeha nahitsy intsony ny fiara fa nivilivily eran’ny lalana. Soa fa tsy nandeha mafy fa saika ratsy ny nahazo ny iray taksiborosy. Salama tsara avokoa ireo mpandeha, araka ny loharanom-baovao fa ilay mpamily kosa nalefa amin’ny tranom-paty any an-toerana.
Mbola tsy voafaritra mazava kosa hatreto ny antony nahafaty ilay mpamily fa ahiana ho fihinanana “cola” sy fampiarahana izany tamin’ny “sill-gum” tafahoatra. “Cola” miisa 5 sy “sill gum” miisa 10 no notsakoin’ilay niharam-boina nandritra ny lalana, araka ny loharanom-baovao hatrany.
Nidina tany Maevatanana, ny filohan’ny koperativa niasany sy ny tompon’andraikitra iray avy ao amin’ny Att ary ny zanany, naka ny razana, omaly maraina. Nilaza ihany koa ny tompon’andraikitra fa handray fepetra manoloana ny “dopage” ataon’ireo mpamily mba hisorohana ny loza.
L.N