Toamasina – Fivarotana iray lasibatry ny jiolahy
Tsena iray no lasibatry ny jiolahy, tao amin’ny fokontany Andranomadio vakim-paritra 11/45, ny alin’ny sabotsy hifoha alahady teo. Tsy fantatra ny isan’ireo jiolahy sy ny fotoana nidiran’izy ireo tao amin’ny tsena fa tena am-pahanginana tanteraka no nanaovana ny asa ratsy. Tsy misy miambina ihany koa ity tsena ity ka nalalaka izy ireo naka izay entana tiany. Noho izany ,lasa avokoa ny entam-barotra rehetra teo amin’ny “vitrine”: vary sy ny maro hafa.
Ahiana ho olona eo amin’ny manodidina mahafantatra tsara ny mombamomba ity fivarotana ity ihany ireo nahavanon-doza. Efa eo am-pelantanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha.