Vous êtes ici :

Vendredi 29 Novembre 2024

ombre

Sambava – Tovolahy maty nipoahan’ny toaka gasy

Naratra mafy sady may kila vokatry ny fipoahan’ny toaka gasy, tao anaty bidao ny tovolahy iray 26 taona, tany Antsahambaro- Sambava, ny zoma hariva lasa teo. Handeha hividy toaka tao amin’ny trano fivarotana iray izy.  Tamin’ny fitondran’ilay ramatoa mpivarotra afon-dabozia  haka ilay zava-mahadomelina no nipoaka izany  satria tsy nahazaka ny herin’ny afo.

Nisy nipitika avy hatrany tamin’ny fitafian’ilay tovolahy. Nisahotaka eran’ny trano sady nikiakiaka ity farany nanala ny akanjony. Nentin’ny hatairana diso tafahoatra ihany koa ka tsy nahita lalana hitsoahana intsony izy. Niditra indray tao amin’ny efitra nisy ilay  fipoahana izy ka vao maika may tao. Efa ny fokonolona no nanavotra azy vao tafavoaka tao ny tenany. Teo anatrehan’izany, vaky nandositra ilay mpivarotra ary tsy hita izay nalehany hatramin’izao.  Vokany, may tanteraka ny vatan’ilay tovolahy. Potika lasa lavenona tsy nisy noraisina ihany koa ilay toerana fivarotana toaka gasy.

Nifamonjena nentina tany amin’ny hopitaly mba hahazo fitsaboina sahaza azy ny naratra saingy namoy ny ainy ny alin’io ihany, tokony ho misasak’alina. Efa mandeha ny fikarohana ilay ramatoa mpivarotra.

 

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre