Bokan’ny trosa lava !
Mbola tsy afaka ao an-tsain’ny maro sy ny mpiray tanindrazana ny nahafantarana fa hay ananan’ireo mpampiasa mitrandraka ny harenan’ny Madagasikara, vola mitentina 170 tapitrisa dolara isika malagasy ! Loza izany marina! Mitambolona avy hatrany ity raharaha iray ity raha vao miresaka io orinasa mpambotry firenena io fotsiny ny mpanao gazety. Isika malagasy tokoa no ananan-dry zareo ireo vola fa tsy hoe ny fanjakana malagasy ihany akory. Satria tokoa ny volan’ny fanjakana malagasy ange ka avy amin’ny fandoavan’ny vahoaka tsirairay hetra e! Ka raha izany no izy dia ianao, izaho ary isika rehetra, izay valala tsy mandady harona no hanefa an’izany. Loza ihany koa satria dia ny taninao sy ny harenanao malagasy izao no efa trandrahan’ireto vahiny dia mbola izy ireo indray izany no manam-bola amintsika. Andeha hatao vetivety ny fehin’izany resaka tsy mazava izany : Taninao aloha io ry malagasy mpiray tanindrazana. Dia nisy avy eo mpitondra lalin-tsaina ka nanome ny taninao hotrandrahan’ireto vahiny fa hoe tsy manana ny hatokona sy ny hampandrosoana azy ianao. Dia nitrandraka àry ireto vahiny saingy nanaovany fantsom-by lava be teo ambonin’ny taninao ka tsy hitanao mihitsy izay vokatra voatrandraka ao, na vatosoa, na volamena, na solika, na inona na inona. Noravan’ireto mpitrandraka ny aty ala sy ny zavamaniry teo amin’ilay faritra hotrandrahany mialoha kelin’izay. Ny biby nisy tao aza, na lasa nitsoaka nanorim-ponenana any amin’ny toeran-kafa, na maty ringana, noho ny faharavan’ny fonenan’izy ireo, na ihany koa voaondrana any anaty fantsona any.
Ka rehefa nitrandraka àry ireto vahiny dia mazava ho azy fa namokatra ary nanondrana ny vokatra tany ampita. Nisy izany ny vola vidin’ny fitrandrahana. Karazana hofan-tany io sy ny vidin’ny vokatra izay niditra ho an’ny fanjakana. Voalaza fa ilay hetra antsoina hoe « TVA » io vola tokony haverina amin’ireto vahiny ireto io, izany hoe ny 20%-n’ny 100% niditra tamin’ny fanjakana. Raha kajiana tsotsotra dia tokony mahatratra 850 tapitrisa dolara amerikanina izany ny vola niditra. Ka aiza rey olona izany vola be izany a ? Aiza dia nankaiza ? Satria raha manana izany vola tsy toko tsy forohana izany ny fanjakana dia mety ho betsaka ihany ny zava-bita. Dia mby ao an-tsaina ilay 100 tapitrisa dolara nanamboarana ireo hopitaly manaram-penitra izay niisa 5, ampian’ny fotodrafitrasa hafa toy ny Coliséum etsy Antsonjombe. Maro ihany ny zava-bita tamin’izany na dia nahazoan’ny mpitondra teo aloha fanakianana maro aza. Raha toa ka averina ny 170 tapitrisa dia mbola misy 680 tapitrisa dolara izany ny ambiny, ary tokony ho ao amin’ny kitapom-bolan’ny fanjakana ao. Betsaka ihany izany ny asa sy ny fotodrafitrasa tokony hitsangana eto amin’ny nosy ary tokony hatomboka dieny izao ny fananganana azy. Fa na tsy mbola hanangana vaovao aza dia betsaka ihany koa ny fotodrafitrasa ilaina fanavaozana sy fikojakojana. Eto Antananarivo, ohatra, dia mbola ahitana sekoly fanabeazana fototra tsy misy tafo no sady tsisy dabilio ka voatery mipetraka sy manoratra amin’ny tany ny ankizy. Tsy aiza izany fa etsy Ivandry izay ravan’ny rivodoza ny sekoly, taona maro lasa izay ary dia tsy nisy mihitsy fananganana sekoly vaovao fa dia trano indramina amin’ny olona tsara sitrapo no ampiasaina. Ireo EPP 94 misy eto amin’ny Tanàn’Antananarivo dia saika ahitàna fahasimbana daholo, ny dabilio sy solaitrabe ary ny toeram-pivoahana dia tsy azo ampiasaina ny ankabeazany. Ny tsaoka aza moa dia ny mpampianatra sy ny ray aman-drenin’ny mpianatra no manao tsipaipaika!
Manontany ny mpitondra àry ny vahoaka malagasy ny mikasika io vola be mitentina 680 tapitrisa dolara io. Misy an’io ve ao sa tsia ? Ny tarehimarika 170 tapitrisa dolara tokoa mantsy, vola izay takian’ny vahiny amin’ny mpitondra malagasy dia ny mpitondra ihany no nahafantarana azy fa tsy hoe namorona indray izany ny mpanao gazety sy ny « mpanatsatso ». Tokony hazava ihany koa ny programa tokony hampiasàna azy raha ao io vola io, izay araka ny laharam-pahamehana omen’ny vahoaka. Tsy rariny tokoa aloha raha sady omena ny vahiny ny tany sy ny harena sarobidy ao anatiny kanefa sady ringana ny harena anatiny sy ambonin’ilay tany no mbola handoa trosa ny malagasy ary tsy mazava ny hampiasàna ny vola vidin’izany harena izany.
Jean Luc RAHAGA