Morombe – Mpivaro-mandeha iray tsy hita popoka
Tsy nisy nahafantatra ny zava-niseho mahakasika ity mpivaro-mandeha ny olona rehetra nefa na izany aza, mandeha ny filazana amin’ny fanjavonany. Avy any amin’ny distrikan’i Marolambo izy. Efa fahazarany ny mamatsy entana ireo tanàna kely manodidina, indrindra ireo any amin’ny reniranon’i Mangoky amin’ny alalan’ny fiampitana lakana. Nanomboka ny talata lasa teo anefa tsy niverina tao an-tokantranony ity lehilahy ity ary tsy fanaony mihitsy anefa ny toy izao. Araka ny loharanom-baovao dia mampilaza ny fianakaviana foana izy rehefa misy ny fiovam-potoana. Sahiran-tsaina ireo akaiky azy manoloana izany ary efa ratsy ny eritreritra. Manahy izy ireo sao natelin’ny rano. Ny olana anefa tsy misy vavolombelona mba hanamarina ny tena zava-niseho momba azy. Na izany aza, manana fanantenana amin’ny mety hahitana azy ihany ny fianakaviana na dia ny fatiny aza satria efa mandeha ny fikarohana ary andrasana izay mety ho valiny. Ankoatra ny fitarainana natao teny amin’ny polisy manko dia nanao filazana amin’ny onjam-peo ihany koa izy ireo mba hanentanana ireo mponina ary hampandre ny mpitandro filaminana na ireo olona akaiky azy raha sanatria mahita fatin’olona.
L.N