Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Ambodivona – Môtô roa nifandona, lehilahy iray namoy ny ainy

Lehilahy iray no namoy ny ainy vokatry ny loza nateraky ny môtô, ny alin’ny talata hifoha alarobia teo, teny Ambodivona. Fifandonan’ny samy môtô no fantatra fa nahatonga ny loza. Ny voalohany, olona iray no teo amboniny ; ny faharoa kosa nanao taingin-telo sady mamo. Voalaza fa nandeha mafy ity farany sy nandona ilay voalohany. Mafy ny fifandonana ka voa mafy ilay nandeha irery. Araka ny vaovao voaray dia tsy norarahin’ireo telo lahy ilay naratra fa navelan’izy ireo teny amin’ny tambohon’ny toeram-pitsaboana iray, teny Ankadifotsy.

Tsy nisy nahatsikaritra izany raha tsy efa ela ka na niezaka nanao izay ho afany aza ireo mpitsabo dia tsy nisy intsony ny azo natao taminy. Ireo telo lahy nahavanon-doza kosa nandeha nitsabo tena tamin’ny hopitaly iray hafa. Nandritra ny fitsaboana natao azy ireo no nahalalan’ny mpitsabo ny fizotran’ny raharaha ka nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany ny tenany saingy iray ihany no voasambotra satria vao nahazo ny fitsaboana sahaza azy ny roa dia lasa nitsoaka. Ny fahatelo izay nikasa handeha ihany fa voatazon’ny mpitsabo. Mandeha ny fikarohana ireo nandositra.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre