Anaty taksibe – Tsy azo antoka intsony
Tsy azo antoka intsony koa ny fandriampahalemana ao anatin’ireo taksibe eto an-drenivohitra. Ahitana zava-dratsy maro miseho tsy eritreretin’ny saina ao anatin’izy ireny indraindray ka mila mailo ny rehetra. Efa maro ireo olona fantatra fa lasibatra ao anatin’ireo taksibe miasa eto an-drenivohitra sy ny manodidina ireo. Isan’izany ny fahaverezan’ny vola, finday, fitoeram-bola, firavaka ary ny faharovitan’ny poketra, kitapo, akanjo sy ny paosy. Amin’ny endrika maro samihafa no isehoan’ireo tranga ireo, matetika tsy mahatsiaro izany ireo olona efa niharany raha tsy efa tonga any an-trano na amin’ny fotoana ilàny ireo zavatra efa very.
Vao tsy ela izay, mpandeha iray no tratran’izy ireo teny Ampefiloha. Mitondra antsy lavalela ireo olon-dratsy ary manambana izay olona hendahina. Tsy misy henatra na tahotra intsony fa midina moramora rehefa mahazo izay tadiavina. Tsy mandeha lavitra fa mijanona eo amin’ny fiantsonana hatrany miandry izay hasiana manaraka indray. Ny manodidina amin’izany tsy misy sahy maneho fihetsika hafahafa satria matahotra sao iharan’ny valifaty.Vokany, mahazo vahana ireo mpanao ratsy.
L.N