Manahy vary !
Ara-bakiteny aloha no tiana resahina eto satria miakatra ny vary eny amin’ny fokontany ambanivohitra eto amin’ny kaominina ambonivohitra Antananarivo no ambara. Tsy iza ireo fokontany ireo fa iny boriborintany fahenina iny, miala avy eo Ambohimanarina ka hatrany Ambatolampy Antehiroka any. Voakasik’izany ihany koa ny boriborintany fahefatra satria mbola mamboly vary ihany tokoa ny mponina eny Ankazotoho Anosimahavelona eny, eny fa na ny eny Anosipatrana sy Anosizato Antsinanana ary ny eny Andrefan’Ankadimbahoaka aza. Miditra moramora amin’ny vanim-potoanan’ny fararano àry isika io dia mazava araka izany fa miakatra ny vokatra. Mazava ihany koa fa efa tena tery ity renivohitr’i Madagasikara ity ary zara raha mahita toerana mba hanahazana ireto vary. Hany ka lasa manaonao foana ny sasany satria ny arabe sy ny lalan’ireo mpandeha tongotra no hanaovana izany. Ny tsinay rahateo tsy mba vatsy no sady leo ny fihafiana lava nandritra ny maitso ahitra ny mpamboly ka maika mba hihinana ny vokatry ny hatsembohana. Azo atao ihany ny miezaka mandefitra amin’ny tsy fanarahan-dalàna mitranga satria natao ivezivezen’ny fiara ny arabe ary ny “trottoir” ho an’ny mpandeha an-tongotra. Fa raha toa kosa ka mandritra ny herinandro maninjitra no miseho izany tranga izany dia miteraka fanafitohinana ho an’ny maro ka mety hisy mihitsy ny hanozona amin’ny vary hohanina. Mety tsy mahataitra antsika izany ozona izany kanefa tandremo ihany fa sao mankarary … kibo!
Araka izany, fararano ny andro ary hiroso tsy ho ela amin’ny asaramanitry ny fankalazana ny fahaleovantena ny Malagasy. Any Alaotra any, manararaotra ny mpamboly mividy izay entana mba nofinofisin’ny saina nandritra ny andro maro nanosena tanimbary sy ny nihafiana tamin’ny tapa-kibo rehefa fotoana tahaka izao. Eo, ohatra, ny lamba sy akanjo vaovao, ny radio sy ny télé, ny zava-maneno isan-karazany indrindra indrindra. Mifaninana mihitsy ny tokantrano tsirairay amin’ny fandefasana mafy ny fanamafisam-peo. Raha sendra mandalo eny Antohomadinika ny mpanara-baovao dia hahatsikaritra fa feno foana ireo fiara handeha hamonjy an’iny faritra iny, manomboka amin’ireo fiara hamonjy an’ Ambatondrazaka izany ka hatramin’ireo handeha ho any Tanambe sy Imerimandroso iny. Mitobaka any an-toerana araka izany ny entana maro samihafa, toy ny friperie, ohatra, ary tsy miandry izany tsenabe izany ny mpivarotra fa tonga dia mamelatra entana eny rehetra eny. Tamin’ity indray mitoraka ity, maro dia maro tokoa ny olona lasa any, indrindra hatramin’ny nampanano sarotra ny asa fivarotana tetsy Analakely sy ny manodidina. Any indray izany no mifampitaona ireo mpivarotra voaroakan’i Neny teto Iarivo.
Mitovitovy amin’izay koa ny an’i Marovoay sy ireo faritra mpamokatra vary maro manerana ny nosy ary araka ny voalaza etsy ambony dia tsy miandry ny andron’ny tsenabe akory vao maresaka ny tanàna. Manaraka an’izay onjany izay ihany koa ny mpanakanto satria ho an’ny Malagasy dia toa tsy misy ny fety raha toa ka tsy misy mozika. Ireo sangany aloha dia efa hatramin’ny ela no voafandrika, ary misy mihitsy aza no tsy afaka handray fifanarahana vaovao intsony mandrapaha-tapitra ny taona. Ka raha toa ka amin’izao fotoana fiantombohan’ny fararano izao vao mieritreritra ny hanao fety dia efa afaka mionona sahady fa ireo mpanakanto somary efa vizambizana na ihany koa ny tanora vao misondrotra sisa no azo afarana kanefa dia mahalala izay olana izay ihany koa izy ireto ka mamely mafy amin’ny saran’ny fampiasana azy. Ka inona moa izany fa dia tokinao hihinan’azy sisa fa efa mipetraka izay ny hafatra.
Fehiny dia tonga ny andro mihiratra ho an’ireo tantsaha sy ny any amin’ny tontolo ambanivohitra rehetra any. Mety tsy dia nahafa-po ny vokatra azo kanefa inoana marimarina fa mba afaka misento kely ny rehetra manoloana ny fahantrana lalina mahazo ny mponina. Ary etsy andanin’izany dia izao vanim-potoana izao tokoa no maniraka ireo mpitantana ny firenena hiasa mafy amin’ny fitsinjovana ny sosialim-bahoaka. Dia tena fotoanany tokoa anie izany satria niova ny governemanta ka raha vao mitamatama eo dia hifoha amin’ny torimasony ny vahoaka hampatsiahy ireo mpitondra ny andraikiny sy ny adidiny, hatramin’ny toky izay nataon’izy ireo. Ka tandremo ary sao manahy vary eo indray toy ireo maro be teo aloha!
Jean Luc RAHAGA