Zava-mahadomelina – Lehilahy tratra niaraka tamin’ny rongony 70 fonosana
Mitohy ny ady ataon’ireo polisy amin’ny fanafoanana ny fidorohana zava-mahadomelina. Lehilahy iray 38 taona, mpivarotra sady mpifoka rongony indray no sarona teny Bemasoandro Itaosy, ny talata 12 aprily lasa teo, tokony ho tamin’ny 12 ora atoandro. Fanomezam-baovao avy amin’ny olona tsara sitra-po hatrany no nahafahana nisambotra ilay olon-dratsy. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny mpitandro filaminana vao nahazo ny mombamomba ity lehilahy ity ka tra-tehaka teo am-panaovana ny asa ratsiny izy.
Mbola nahatratrarana fonosana rongony miisa 76 ihany koa teny aminy nandritra ny fisavana ny trano fonenany. Niaiky ny heloka vitany izy ary nilaza fa mahalafo rongony 20 fonosana isan’andro sy mahalany fonosana iray mandritra ny andro. Tamin’ny filazany hatrany dia eny amin’ny IVO no hakany ireo entana, izay vidiany 300 ariary ny iray fonosana ary amidiny 500 ariary. Efa nigadra teny Antanimora izy ny taona 2015 dia izao miverina manao ny asa ratsiny izao indray. Noho ny tsy fananana asa no mahatonga azy mivarotra rongony, araka ny voalazany. Natolotra ny fampanoavana omaly ny raharaha.
Laurena Nany