Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Antsirabe – Kila forehitra ihany koa ny tsenan’ny tantsaha

Ankoatra ny tsenan’ny tantsaha tany Mananjary dia kila forehitra ihany koa ny any Antsirabe ao Atsimontsena, ny harivan’ny alarobia lasa teo. Tsy fantatra izay nahatonga ny fahamaizana fa goavana ny fahavoazan’ireo mpivarotra tamin’izany. Trano miisa 41 no levon’ny afo. Trano “hangar” ny enina ary trano nitoeran’ny olona sady fivarotana kosa ny ambiny. Mahatratra 80 any ho any amin’izao fotoana izao no tsy manan-kialofana any an-toerana. Manoloana izao voina nahazo ireto mponina ireto izao dia tonga nijery ny fahavoazan’izy ireo, omaly ny Ben’ny tanàna any an-toerana, Razanakolona Paul sady nanolotra vary 2 taonina. Nanambara ihany koa izy fa harenina faran’izay haingana ny tsena ary hisy ny fepetra hapetraka hoan’ireo mpivarotra ara-dalàna. Tsy tokony hitoeran’ny olona ny tsena fa izay hatrany no olana satria tao anatin’ny tapa-bolana izao dia in-droa no nisy trano fivarotana may toy izao, araka ny fanamarihana avy amin’ity solontenam-panjakanaany an-toerana ity.

 

Olana ny tsy fananana mpamonjy voina

Mbola olana any  ary miverimberina hatrany ny tsy fisian’ny mpamonjy voina. Nanamafy izany ny tranga izay nahamaizana ny tsenan’ny tantsaha. Tsy maintsy ireo fokonolona mantsy no nifandrimbona nifanome tanana namono ny afo. Nambaran’Ingahy Ben’ny tanàna  fa maika dia maika ny fahazoana ity fitaovana ity satria efa antomotra ny vanim-potoanan’ny hafanana.  Efa eo ihany koa ny departemantan’i La Reunion, vonona hifanampy amin’izy ireo amin’ny fahazoana izany fa miandry fandaminana fotsiny sisa. Noho izany, nanome toky ireo mponina ny tenany fa tsy maintsy azo ireo fitaovana ireo.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre