Atsimondrano – Tsena iray notafihan’ireo jiolahy enina mitam-basy
Mbola miseho lany ny asan-jiolahy mitam-piadiana any amin’ny toerana sy ny faritra manodidina ny renivohitra. Andian-jiolahy miisa enina no nanafika trano fivarotana, tany amin’ny kaominina Ankadivoribe, ao amin’ny distrakan’Atsimondrano, omaly maraina, tamin’ny 3 ora. Nirefodrefotra ny poa-basy tamin’izany fandrobana izany. Lasan’izy ireo ny lelavola 500 000 ariary sy ny entam-barotra maromaro. Basy poleta vita gasy sy antsy maranitra ary karazana vy no fitaovana nampiasain’ireo malaso nanatanterahana ny fandrobana.
Varavarana nopitsohana tamin’ny alalan’ireo fitaovana maranitra no nahafahan’izy ireo niditra tao amin’ilay tsena. Vao tafiditra izy ireo dia nanambana basy avy hatrany ireo rehetra tao an-trano. Tsy nisy nahateny sy nahetsika ny rehetra fa nanaraka am-bokony izay nolazain’ireo jiolahy. Ireto farany kosa nanararaotra nitady ny vola sy nandraoka ny entana.
Laurena Nany