Toamasina – Mahazo vahana ny halatra « plaque d’immatriculation »
Tsy hitan’ireo mpangalatra intsony izay iainana. Mahazo vahana indray ny halatra “plaque d’immatriculation”, any an-tampon-tanànan’i Toamasina amin’izao fotoana izao. Efa maro ireo fiara lasibatra ary tsy mifidy ora izy ireo manao izany. Tsy misy mahatsikaritra ihany koa ny fotoana angalaran’ireo olon-dratsy izany fa efa ilay “plaque” tsy eo amin’ny fitoerany intsony vao taitra ny tompon’ny fiara. Mampametra-panontaniana ireo olona any an-toerana ihany ity halatra hafahafa kely ity. Hatao inona izy ireny ary iza no mividy azy? Misokatra ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana.