Vous êtes ici :

Vendredi 29 Novembre 2024

ombre

Andravoahangy – Lasan’ny jiolahy milanja basy ny vola 1 baoritra

Nipoapoaka ny feom-basy teny Andravoahangy, omaly, teo anelanelan’ny amin’ny 12ora sy 30 mn ka hatramin’ny 1ora antoandro. Telo lahy nilanja basy poleta no tonga masiaka nampihorohoro ny mponina teny an-toerana, tamin’ny fanafihana mpamongady iray. In-droa nipoaka ny basy ka ny voalohany tamin’ny fidirana ny tsena ary teo am-pandosirana kosa ny faharoa. Niparitaka samy nanavotra ny tenany ny manodidina raha toa ka nilavo lefona manoloana ireo olon-dratsy kosa ny lasibatra. Tampoka raha teo ny fahatongavan’ireo mpangalatra ka tsy nisy azo natao. Lasan-dry zalahy tamin’izany  ny vola iray baoritra, izay mbola tsy fantatra ny isany, niaraka tamin’ny entam-barotra maromaro.

Na dia nanaraka ny sitrapon’izy ireo anefa ilay mpivarotra dia mbola notorahina vato ihany izy mba hiala tao amin’izany tsena izany. Voa teo amin’ny lohany izy ka naratra mafy. Nidina teny an-toerana nanao ny fizahana ny polisy rehefa nampandrenesina ny zava-misy. Ny naratra kosa nentina nihazo ny toeram-pitsaboana. Misokatra ny fanadihadiana.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre