Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Resy tsy niady !

Hakiviana lalina no nandraisan’ny mponina eto an-drenivohitra iny fanambarana ny mpikambana ao anaty governemantan’Ingahy Mahafaly Olivier iny ary betsaka aza no nanadrohadro fa matoa izy iny tsy nambara raha tsy ny zoma alina teo dia misy antony tokoa izay. Saingy ny alina mitondra fisainana ho an’ny rehetra dia tsy afaka nanala ny sorisorin-tsaina ny asabotsy maraina teo.

Raha tsiahivina vetivety ireo lohatenin-gazety mpivoaka isan’andro niseho ny sabotsy teo tsy nisy na dia iray aza mba nanome tombony ho an’izany governemanta  izany. Mazava ho azy afa-tsy ireo mpisolelaka saingy efa mahazatra izany. « Ny tonta ihany no avadibadika », hoy ny iray, « ny teo ihany no miverina », hoy ny hafa ! Ho an’ireo gazety amin’ny teny frantsay indray dia misy ny milaza fa ity governemantan-draMahafaly ity no sehatra iray nitsanganan’ny hafa tamin’ny maty ary tena marina tokoa izany satria maromaro no efa tsy hita tabilao, kanjo dia indreo izy ireo fa miverina mitantana ny firenena. Inoana marimarina fa be indray ny fanomezan-tsiny ho ren’ny mpamaky amin’ireo radio zavon-tany eto an-drenivohitra manomboka ity herinandro vaovao ity, izay azo lazaina tokoa fa misy dia misy ny mahamarina izany. Ireto goaika antitra ireto – ary tena izay mihitsy no azo ilazana azy – dia efa teo amin’ny toeram-boninahitra maro teto amin’ny firenena saingy tsy hita velively izay fampandrosoana nentin’izy ireo kanefa dia voalaza fa tena manam-pahaizana tokoa eto amintsika. Ny resaka jiro sy rano izao, ohatra, tsy nitsaha-nihena ny isan’ny mpanjifa izany manerana ny nosy : eo aloha ireo fitaovana maro samihafa izay potika tanteraka kanefa tsy afaka nitondra fanatsarana izany ny mpitantana tamin’izany andro izany. Ho an’Antananarivo renivohitra, ohatra, efa tany amin’ny taona enimpolo sy fitopolo tany ho any no napetraka ireo fantsona mitondra ny rano isan-tokantrano sy isaka ny paompy saingy tsy nisy na dia kely aza ny fanavaozana izany. Hany ka misotro rano maloto sy feno otrik’aretina ny mponina. Ankoatra izay, tsy afaka nampitombo ny tahan’ny tokantrano mahazo rano io mpitondra io. Ny mikasika ny jiro indray dia isan’ny nampitondra faisana ny vahoaka tokoa ity ranamana ity satria samy mbola nahatadidy ny rehetra fa maizina tanteraka ny lalan-kely rehetra manerana ny tanàna, noho ny tsy fahafahana mikojakoja ny andrin-jiro sy ny takamoa ilaina amin’ny fanazavana azy. Tena nanjaka tokoa ny tontakely, tsy tany an’elakelan-trano ihany fa hatrany am-bavahadin’ny tokonam-baravarana mihitsy izany. Adino tokoa ve fa miara-manisa isa-maraina ny faty olona vokatry ny hetraketraky ny mpanao ratsy ny mponina rehetra sy ny mpanara-baovao, tamin’izany andro izany,?

Etsy andanin’izany, gaga ihany koa ny mpandalina nahita indray ity ranamana taranaka vietinamianina ity tafaverina anaty fitondrana. Ny tsara ho marihina voalohany aloha dia izy izany izao no isan’ny misolo-tena ny ankolafy Ravalomanana ao anatin’io governemanta io, ankoatra an’Ingahy Rolland Ravatomanga sy Rafatrolaza Bary Emmanuel. Araka izany, tsy afaka ny handà mihitsy ny filoha teo aloha fa tsy manana ny olony ao anatin’ny mpanatanteraka ary  ho an’Ingahy Zafilahy dia tena toeram-boninahitra lehibe tokoa no azony satria olona faha-efatra anatin’ny governemanta ary mialoha ny minisitry ny fiarovam-pirenena sy ny an’ny raharaham-bahiny izy. Hamafisina indray izany fa tena miara-mitantana tokoa, na farafaharatsiny mandray anjara feno amin’ny fitantanana ny firenena ny antoko Tim. Fa ho an’ilay voatendry kosa dia manalasala ihany ny vokatra azony fony izy mbola minisitra lefitra nisahana ny fampianarana ambony sy teknika ary fampiofanana arak’asa, tao anatin’ny governemanta Charles Rabemananjara tamin’ny taona 2007. Tsy hita mihitsy ny vokatra nasehony ny tena marina kanefa nomena ny … sôsy be mikasika ny fitrandrahana solika sy ny harena an-kibon’ny tany.

Santionany amin’ny fanamarihana maro be vao heno ny sabotsy maraina teo ireo fa mbola maro ny tiana hambara raha ny mikasika ity governemanta vaovao ity. Raha bangoina amin’ny teny tokana dia tena tsy … mahafaly ny vahoaka mihitsy. Raha izany no izy dia governementa hiady amin’ny inona aloha izany izy ity ? Amin’ny tsy fandriam-pahalemana sy ny fahantrana, hoy ny praiminisitra nandritra ny lanonana famindram-pahefana teny Mahazoarivo! Mahakely finoana ihany raha ity lafiny voalohany ity, eny fa na dia nosoloina avokoa aza ny ankamaroan’ny tompon’andraikitra voalohany amin’izany sehatra izany. Eo ny an’ny fiarovam-pirenena, ny fitsarana, ny polisim-pirenena ary tsy nisy afa-tsy ny an’ny zandarmaria no hany mbola voatazona. Tsy adino anefa ireo mpisolo toerana ireo izay nitana andraikitra ambony avokoa teto amin’ny Tanindrazana, nialoha izao fanendrena izao. Ho an’ny ady amin’ny fahantrana indray dia tsy nisy mihitsy na iray aza voakitika tamin’ny toerany kanefa inona moa izay fahombiazana hita taratra tamin’izy ireo: ny minisitry ny vola, ny ara-toe-karena, ny fahasalamana, ny fanabeazana, ny fampianarana ambony, ny mponina, ny serasera, ny tanora sy ny sisa. Somary gaga ihany mantsy ny maro raha toa ka roa taona sy tapany aty afara dia … « hiova fo » indray izy ireto ka hahavita hanarina sy hanentsina ny lavaka nataon’izy ireo ihany nandritra izay fotoana rehetra izay.

Dia izay no azo anambaran’ny mpanara-baovao sahady fa efa resy avy hatrany, resy tsy mbola raikitra akory ny ady, ity governemanta vaovao ity.

Jean Luc RAHAGA

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre