Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Fanakanan-dalana – Tsy nahomby ny fikasan-dratsin’ ireo jiolahy

Mitohy hatrany ny asa ratsy amin’ny fanakanan-dalana ataon’ireo olon-dratsy any amin’iny lalam-pirenena Rn4 iny saingy nandamoka tamin’ity indray mitoraka ity. Tamin’ny zoma 15 aprily lasa teo, tokony ho tamin’ny 11ora alina, fiara kamiao iray no saika lasibatr’ ireo jiolahy, tany Betomendry, fokontany sy kaominina Anahidrano, distrikan’Antsohihy I. Araka ny vaovao voaray dia nasian’izy ireo sakana hazo mokonazy ny lalana fa tsy nahatana ilay kamiao satria mbola tafatsoaka ihany. Tsy nisy noho izany ny fahavoazana nahazo ireo tao anatin’ilay fiara fa nampandre ny mpitandro ny filaminana avy hatrany ny mpamily vao niala teo. Nidina teny an-toerana avy eo ny zandary miisa 6 nijery ifotony ny zava-nisy. Vao nahatazana ny fahatongavan’ireto farany ireo jiolahy dia vaky nandositra. Noesorina kosa avy eo ilay sakana ary nanao fisafoana teo amin’ny manodidina mandra-maraina ireo zandary.

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre