Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Ankasina-67ha – Trano 40 tafo levon’ny afo

Nijoalajoala ny afo teny amin’ny fokontany Ankasina, eny 67ha, omaly antoandro tamin’ny 2ora sy 15 mn tany ho any. Trano miisa 40 tafo no levon’ny afo ary fianakaviana any amin’ny roanjato any ho any no traboina. Trano biriky ny iray ary vita amin’ny hazo avokoa ny ambiny. Afon-tsaribao niainga avy ao amin’ny trano fonenan’ny olona iray no nahatonga ny fahamaizana. Tsy tao an-toerana ny tompon-trano tamin’io fotoana io ka niparitaka teo amin’ireo mpifanila vodirindrina aminy ny lelafo.

Nampandre ny mpamonjy voina avy hatrany ireo niharam-boina vantany vao niseho ny loza fa mandra-pahatongan’izy ireo dia ny mponina no niara-nisalahy namono ny afo, tamin’ny rano maloto avy teny amin’ny tatatra. Tonga ara-potoana ihany ireo mpamono afo, araka ny vaovao voaray saingy nananosarotra ho azy ireo ny fidirana ny tanàna, noho izy anatiny be. Tsy maintsy « tuyau » noho izany no natohitohy niditra tany nefa voafehin’ireo fokonolona ihany ny fahamaizana mandra-pahatanteraka izany. Tombanana an-tapitrisany ny zavatra may.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre