Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Fianarantsoa I – Dahalo maromaro nangalatra omby roa

Tsy androany na ho rahampitso no ho foana ny asan-dahalo any amin’iny tapany atsimon’ny Nosy iny. Mila ho isan’andro dia misy tranga hatrany any amin’iny toerana iny ary tsikaritra fa efa tonga tsikelikely any Fianarantsoa ity asa ratsy ity. Toerana antsoina hoe Amboditanimena, fokontany Ambatovory, any an-tampon-tanàn’i Fianarantsoa I no lasibatra ny dahalo mitam-basy, ny zoma lasa teo, tamin’ny 12ora sy 30 mn antoandro. Tsy nisy nahatsikaritra ny fahatongavan’ireo olon-dratsy fa tamin’ny fahanginana tanteraka no nanatontosana ny fangalarana. Lasa ny omby miisa 2 tao am-bala vao taitra ny tompony.

Nampandre ny mpitandro ny filaminana avy hatrany ity farany ary nidina teny an-toerana nanao ny fizahana ny manam-pahefana. Rehefa vita izany, niroso tamin’ny fanarahan-dia niaraka tamin’ny fokonolona izy ireo. Nifankatratra teo amin’ny kilometatra vitsivitsy ny roa tonta. Raikitra ny fifampitifirana ary vetivety dia nilavo lefona ireo dahalo. Niparitaka ireto farany fa tsy nahatohitra ny herin’ireo mpanara-dia. Vokany, namela ireo omby teo an-toerana izy ireo ka noraisin’ny tompony avy hatrany ny fananany. Mitohy kosa ny fanadihadiana.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre