Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Nitsapa ny herin’ny ody basiny – Ombiasy iray niparitaka atidoha

Nihena iray indray ireo mpanao ratsy. Ombiasy iray no namoy ny ainy rehefa nitsapa ny herin’ny ody basiny. Ny sabotsy 16 aprily lasa teo, no nisehoan’ny loza, tany Masiakampy, izay tanàna eo amin’ny 30 km miala an’i Miandrivazo. Mpimasy tena malaza ao amin’ny tanàna misy azy raha ity lehilahy ity ary malaza fa mahay mihitsy amin’io sehatra iray io, araka ny loharanom-baovao. Izy no voalaza fa mpamatsy ody gasy ireo olon-dratsy mpanao fanafihana any amin’iny toerana iny izay mampitondra takaitra ireo mponina mihitsy. Niseho azy tsy andairan’ny bala mantsy ranamana ka nanaraka hatramin’ny ainy izany.

Nanambara izy alohan’ny nanaovana ity fampisehoana hafahafa kely ity fa tsy laitran’ny bala, noho ny herin’ny ody gasy amin’ny tenany. Nalainy ny basy ary nohamasininy amin’ny fomba fanaovany azy. Nataony tao am-bava avy eo ny vava-basy ary napoakany. Vokany, tsy nisy fomba namelomana azy fa maty teo no ho eo ilay lehilahy ary niparitaka hatramin’ny atidohany. Manoloana ity tranga hafahafa kely ity dia maro ireo olona any Masiakampy naneho ny hafaliam-pony ary milaza hoe « misimisia ny tahaka izao dia mihena tsikelikely ireo mpanao ratsy. »

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre