Voarebirebin’ny bibiolona !
Nahoraka be indray tato ho ato ny resaka bibiolona. Tsy vaovao amin’ny malagasy ny fampihorohoroana toy izao fa efa hatramin’ny fanjanahan-tany. Kanosa sy minomino foana rahateo ny ankamaroan-dramalagasy ka mora andairan’ny tsaho sy ny angano. Hatreto aloha tsy mbola nisy olona na iray aza, afaka nanaporofo fa tena nisy ary misy izany bibiolona izany. Ny honohono sy ny fampiresahana no betsaka dia roboka mihorohoro amin’ny antsanga tsy aman’orana tsy marim-pototra rehetra izao ny vahoaka. Mampitsangam-bolo tokoa raha ny fitantaran’ireo mpamoron-dainga sy tsy nahita akory fa nandre tetsy sy teroa fotsiny dia manisy sira ary manitatra rehefa mitatitra amin’ny hafa.
Resaka matavy ny betsaka fa tsy misy porofo izany bibiolona mitsentsitra izany. Lazaina fa soavaly ilay biby fa olona ny tapany ambony, misy indray mahita fa toa tsanganan’olona izao saingy toa miendrika alika. Lainga izany ary tsy misy fa anganom-bazaha toy ny « centaure » sy ny « lougarou » izay hita any amin’ny angano grika no navadiky ny gasy marivo salosana fa tena misy. Ao ihany koa ireo milaza ho efa nahita zazavavindrano nefa ny angano vahiny mifantoka amin’ny « sirène » no novaina ho tena misy aty Madagasikara. Eo ihany koa ny resaka kalanoro, izay tsy mbola nahitan’ny manam-pahaizana mpikaroka ara-tsiantifika sy vakoka fahiny porofo mihitsy ny fisiany. Ny karazan-taolam-biby toy ny dinozoro sy lalomena, ary varika hatramin’ny 20000 taona lasa niforonan’i Madagasikara aza hitan’ny mpikaroka siantifika, nefa izany kalanoro sy kinaoly lazaina fa misy izany tsy mbola nisy nahita. Dia manomboka maro ihany koa ireo mpitantara valamaty fa misy matoatoa mitaingina taxi indray eto an-drenivohitra amin’ny alina. Ny sasany milaza fa vehivavy tsara tarehy, ny hafa kosa milaza fa vazaha roalahy. Dia tsy fantatra intsony fa samy mamorona izay tiany hoforonina ny rehetra mba hanakorontanana ny fiarahamonina.
Minomino foana loatra ny malagasy ka fitahin’ny olona sasany amin’ny resaka tsaho mba hanadinoana ny raharaham-pirenena izay tsy mandeha amin’ny laoniny araka ny fampanantenana politika. Hatramin’ny mpitondra Fanjakana eo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena aza no sahy milaza fa izany ambalavelona izany no mamely ny mpianatra malagasy eny amin’ny sekoly ambaratonga faharoa fototra. Dia mangina ny minisiteran’ny fahasalamana manoloana izany nefa misy dokotera milaza fa tsy ambalavelona izany no mahazo ireo ankizy fa karazana aretin-tsaina mandalo noho ny antony samihafa. Minomino foana loatra ny malagasy ka mora rebirebena. Any amin’ny faritra atsimon’ny nosy dia manao izay danin’ny kibony ny dahalo satria mirehareha fatratra ho mahay ody basy ka matahotra azy ireo avokoa ny rehetra. Efa nilaza anefa ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny mpitandro filaminana fa tsy mandaitra izany ody basy izany ary noporofoin’izy ireo tamin’ny hetsika fampandrian-tany fa ripaka manoloana ny balan’ny mpitandro filaminana avokoa ireo olon-dratsy mpangalatr’omby ary vaky nandositra vao tonga ny miaramila sy ny zandary. Farany teo aza dia ilay voalaza ho mpanao ody basy mihitsy no matin’ny bala izay nanaovany fanandramana tamin’ny tenany ihany. Manampy ireo dia efa azon’ny mpitandro filaminana hatry ny ela i Tokanono izay voalaza fa mpanao ody gasy sy mpanao ody basy nikoizana tany amin’ny faritra atsimo.
Ny mpamosavy sy mpandatsa-baratra ary mpanao ody fitia ihany no efa nisy nanaporofo fa tena mahay izany ary maro ny vavolombelona tena nahita maso.
Mampihorohoro ny malagasy ny resaka tsaho sy honohono ary mampikorontan-tsaina ny vahoaka ka hanadinoan’izy ireo ny tena zava-misy marina. Fahantrana sy aretina ary tsy fananam-bolo sy tsy fahampian-tsakafo izay mbola itambesaran’ny tsy fandriam-pahalemana. Tena misy ny fahantrana ary manaporofo izany ny fitokonana etsy sy eroa satria tsy zakan’ny fahefa-mividy intsony ny fiainana. Tsy tsaho na lainga ny areti-mifindra fa efa maro be ny maty ary tsy manam-bola hitsaboan-tena ny ankamaroan’ny olona. Zava-doza iainana isan’andro ihany koa ny fanendahana, ny fanafihana mitam-piadiana, ny fakana an-keriny, ny asan-dahalo sy ny fanolanana. Izany bibiolona izany kosa resaka mampatory mitsangana fotsiny.
Ravalo tsy Manana