Sambava – Ala lavanila 8 hektara nopotehan’ny jiolahy mitam-basy
Tandondomin-doza ny famokarana lavanila any amin’ny distrikan’i Sambava amin’izao fotoana izao, noho ny afitsok’ireo mpangalatra. Ny alin’ny zoma lasa teo, andian-jiolahy mitam-basy tsy fantatra isa no voalaza fa nandroba tany Masovariaka, kaominina Ambohibao, ambanivohitra Sambava. Ala lavanila mirefy 8 hektara no simba tanteraka nopotehan’ireo olon-dratsy, araka ny fanambaran’ny lefitry ny ben’ny tanàna, Samuel Antoine. Fiveloman’ny fianakaviana miisa 20 any an-toerana io saha io. Tsy vitan’ny nanapotika ireo vokatry ny tantsaha ireo fotsiny anefa ireo jiolahy ireo fa nodoran’izy ireo ihany koa ny trano fonenan’ilay mpiambina izany saha izany. Ity farany izay nandositra niala ilay toerana mba hanavotra ny ainy. Vokany, kila forehitra hatramin’ny ala lavanila. Akory ny haketrahan’ireo fianakaviana lasibatra raha nahita ny fahapotehan’ny vokatra fiveloman’izy ireo izay mba nantenaina fa hahazoana vokatra tsara. Nidina teny an-toerana ny mpitandro filaminana nanao ny fizahana. Tsy fantatra kosa ny anton’ity fanapotehana ity. Misokatra ny fanadihadiana sy fikarohana ireo olon-dratsy.
Laurena Nany