Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Nangalatra môtôn’ny polisy – Roalahy nidoboka eny Antanimora

Niakatra fampanoavana ny sabotsy lasa teo, ireo telo lahy tompon’antoka tamin’ny fangalarana môtôn’ny polisy. Nidoboka vonjimaika, eny Antanimora ny roalahy taorian’ny fihainoan’ny mpitsara azy ireo. Raha tsiahivina, môtô skotera marika Jog Pro 90 ity nisy nangalatra ity, nanoloana ny Casino iray eny Ambodifilao, ny 19 aprily, tamin’ny 6 ora hariva. Rehefa nojerena tamin’ny “camera de surveillance” tao amin’ilay Casino dia hita ny lehilahy iray nanao “casquette” sy akanjo maillot misy soratra “Fly emirates” eo anoloana sy “Cavani 9” ao an-damosina. Io akanjony io ihany avy eo no nahafahan’ilay tompony nisambotra an’i Pitany, raha sendra nandalo teny Analakely, ny alakamisy lasa teo, tokony ho tamin’ny 5ora hariva. Nandritra ny fanadihadiana azy indray no nahafahana nisambotra ny namany iray hafa izay nametrahany ilay skotera dia tsy iza izany fa i Benze. Tratra teny Ankadivato io namany io rehefa nanaovana velam-pandrika ny androtr’io ihany, tokony ho tamin’ny 7ora sy sasany hariva. Marihina fa nitondra fiara izy ary roalahy izy ireo no tao anatiny. Raha nanakana azy ireo ny polisy dia saika nohitsian’izy ireo raha tsy namoaka basy haingana. Tamin’izay fotoana izay dia niaiky avy hatrany i Benze fa any an-tranony ilay môtô. Tamin’ny famotorana natao azy ireo indray avy eo no nahalalana fa samy efa nigadra teny Antanimora i Benze sy Pitany ny taona 2015 ary tany no nifankahafantaran’izy ireo. Fantatra ihany koa fa mbola mamita sazy 10 taona eny Antanimora i Pitany fa manao Mop ety ivelany fotsiny dia izao tratra mangalatra izao indray. I Benze kosa indray mbola misy raharaha hanenjehana azy eny amin’ny Fitsarana ka nidoboka, teny Antanimora izy fa nahazo fahafahana vonjimaika rehefa nanao fangatahana.

 

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre