Vous êtes ici :

Vendredi 29 Novembre 2024

ombre

Mpitatitra tsy tan-dalàna

Nanakorontana ny fiainan’ny vahoakan’Atsimondrano ny fitokonana tampoka nataon’ny mpitatitra ny alatsinainy lasa teo. Tsy vitan’ny tsy niasa ireo taksibe fa mbola nigafy sy nanakana ireo niasa mba hijanona ihany koa. Niafara tamin’ny fanakorontanana sy ny fanimbana fananan’olona mihitsy ny raharaha. Ny fitakiana ny famerenana ny gaboraraka no tena anton’ny hetsika nataon’ireo saofera sy resevera rehefa tena nojerena ny hetsika. Tsy levon’ny vavonin’izy ireo ary tsy zakan’ny sain’ny tsy nahita fianarana ny fametrahana polisy sy zandary hanara-maso manokana ny gaboraraka misy ataon’ny mpitati-bahoaka. Iza tokoa moa no tsy mahalala sy tsy mitaraina fa tena manao fisainan’olon-dia, tsy mahay manajana ny hafa ary manitsakitsaka an-tampon-doha ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana ireo taksibe ireo. Ny faran’ny herinandro laa teo iny fotsiny izao dia taksibe miisa 3 no nanao lozam-pifamoivoizana noho ny tsy fitandremena. Taksiben’Ivato no voalohany, izay nandona fiara Starex noho ny fanararaotana sotasota fotsiny satria fiara efa lasa no nodominy taty aoriana. Ny faharoa dia taksiben’Andohatapeaka no nitrongy fiara Saxo teo amin’ny vatany, izay vokatry ny gafy ihany koa satria ilay fiara kely efa tafatsofoka mbola nofaohiny ihany. Ny fahatelo dia taksibe mandalo eny amin’ny Bypass no nidofotra tamin’ny taksiborosy ho any Antsirabe vokatry ny fandehanana mafy sy ny tsy fahaizana mifehy ny familiana.  Gaboraraka avokoa izany rehetra izany ary mila alamina sy arindra mba hisorohana ny faty olona sy ny fahasimban-javatra. Io antony io no nahatonga ny minisiteran’ny fitaterana sy ny mpitandro filaminana hanao hetsika manokana nananganana ny Cir izay natao hanara-maso ny tsy mety eny amin’ny lalana. Dia nitokona ry be saina nefa kely fahaizana satria tsy mahazaka ny fampiharana ny lalàna.

Firy amin’ireo mpitatitra, tompon’ny fiara, saofera sy resereva no sahy milaza fa tena ara-dalàna ary manaraka ny fenitra rehetra takiana amin’ny fiara sy ny asan’izy ireo ? Misy ihany saingy vitsy dia vitsy satria na ny bokin’andraikitra aza dia kaoperativa azo isana amin’ny rantsan-tanana no mampihatra izany. Tery sy mifanisika any anaty taksibe, ary ny seza tsy zarizary fa takelak’azo kely no ifandimbiasan’ny mpanjifa ipetrahana. Ratsy fitondran-tena sy maloto ny saofera sy resevera. Ambonin’izany ny taingim-be sy ny miodina eny antenantenan-dalana ary ny fijanonana ela be eny amin’ny fiantsonana, miampy ny fandehanana mafy loatra.

Tena gaboraraka ary mila fepetra hentitra ireo fiara fitateram-bahoaka eto amintsika satria sady efa lafo be ny saram-pitaterana no mbola ratsy ihany koa ny tolotra omen’izy ireo ny mpanjifa. Nofitahin’ny fikambanam-ben’ireo kaoperativa mpitatitra an-drenivohitra ny vahoaka tamin’ny filazana fa hanafatra fiara fitaterana manara-penitra sady vaovao be avy any Chine nefa hatramin’izao tsy nisy izany na dia iray aza. Vao mainka aza niharatsy ny fiara fitaterana maro taorian’ny fanondrontana ny saran-dalana. Nihena be ny vidin-tsolika nefa tsy nihena ny saram-pitarerana.

Gaboraraka ary porofon’ny tsy fahamarinan-toeran’ny fampiharana ny lalàna eto Madagasikara ity resaka fitaterana eto an-denivohitra ity. Manao izay saim-pantany sy izay danin’ny kibony ireo mpitatitra ary tsy mahafehy azy ireo ny Fanjakana. Tsy ny taksibe irery ihany anefa no manao izay fa eo ihany koa ireo mpitarika posy sy sarety ary  kalesy izay manohitohina ny fifamoivoizana an-tanàn-dehibe. Tena hita zao fa tsy ara-dalàna nefa tsy sahin’ny mpitandro filaminana raràna ny fifezivezeny. Tsy mahagaga raha tsy mety mandroso ity firenena ity satria ireny olona tsy mahalala izay atsimo sy avaratra, mikasika ny fanjakana tan-dalàna sy ny fahalalam-pomba eny anivon’ny fiarahamonina ireny aza tsy vitan’ny mpitondra ny manoro lalana azy mba ho mendrika ny fiainana an-tanàn-dehibe.

 

Ravalo tsy Manana

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre