Fanadinam-panjakana 2016 – 89 000 mahery ireo hiatrika ny Cepe eto Analamanga
Mizotra ara-dalana ny fanomanana ny fanadinam-panjakana amin’izao fotoana izao raha ny aty amin’ny faritra Analamanga no asian-teny. Efa mipetraka daholo ny fanomanana ny laza adina amin’ny fanadinana Cepe sy Bepc ary efa naterina eny amin’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena tamin’ny herinandro lasa teo. Efa vita hatramin’ny statistika amin’ny fanomanana ny trano handraisana ireo mpanala fanadinana ary efa nalefa eny amin’ny servisin’ny ministera miandraikitra izany. Marihina fa natao isaka ny faritany ny laza adina Cepe ka niakatra taty an-drenivohitra nandritra ny iray volana ireo mpanao izany. Raha tsiahivina dia ny 18 aprily lasa teo no nifarana ny fanoratana anarana amin’ny fanadinana Cepe. Mahatratra 89 724 ireo ankizy hiatrika izany eto amin’ny faritra Analamanga. Nisy ny fitomboana raha oharina ny tamin’ny taona lasa, araka ny filazan’ny tale jeneralin’ny Dren Analamanga.
Ho an’ny fanadinana Bepc kosa indray dia amin’ny faran’ny herinandro izao no mivoaka ny lisitra ofisialin’ireo mpiadina. Ho an’ny laza adina ara-panatanjahantena dia hanomboka amin’ny tapaky ny volana may ny ankabeazany ka amin’ny herinandro ho avy izao ny fizarana ny fiantsoana (convocation).
Raha ampitahaina amin’ny hatramin’izay dia ho hentitra kokoa ny Dren amin’ity taona ity mba hanatsarana ny vokatra azo. Manamafy izany ny filazan’i Andrianilanina Jery, tale jeneralin’ny Dren Analamanga manao hoe “Mba hialana amin’ny fivoahan’ny laza adina mialohan’ny fotoana dia hisy ny fanaraha-maso akaiky ireo mpanao laza adina aloha sy mandritra ary aorian’ny fanadinana. Natao izany mba hanatsarana ny vokatra azo.”
L.N