Vous êtes ici :

Vendredi 29 Novembre 2024

ombre

Fanaparam-pahefana – Mpivaro-toaka niharan’ny herisetran’ny zandary

Miseho lany ny tsy fanarahan-dalàna sy ny fanaparam-pahefana ataon’ireo mpitandro filaminana sasany eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Tovolahy iray tompona trano fisotroana indray no niharan’ny herisetran’ny zandary, tany Agnivorano, Taolagnaro, ny alin’ny zoma lasa teo. Nandeha nisotrosotro tao amin’izany toerana izany ilay zandary tamin’io alina io. Araka ny loharanom-baovao dia nanafatra izay nilainy rehetra ilay manam-pahefana. Rehefa lany anefa ireo rehetra ireo dia lasa fotsiny amin’izao ranamana fa tsy nandoa ny laniny satria hono zandary. Tsy nanaiky izany ny tompon-trano fa nitaky ny vola saran’izay laniny rehetra teo saingy vava be hatrany no valiny.

Tsy vitan’izay ihany fa niafara tamin’ny fanimbana ny entana rehetra tao an-toerana izany. Tsy nahazaka izany fihetsika izany ilay tovolahy ka raikitra ny fifandonana teo amin’ny roa tonta ary naratra mafy iry voalohany. Gaga ireo nanatri-maso tamin’ny fihetsika tsy mendrika nasehon’ity zandary ity ary manao antso avo amin’ny lehiben’ny zandary mba hijery akaiky ny raharaha.

 

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre