Vous êtes ici :

Vendredi 29 Novembre 2024

ombre

Kariera any Jafaro – Baranahiny ny fitrandrahana

Vaky ny kariera vatosoa any Jafaro, izay 25 km miala an’Antanimora, any amin’ny faritra Androy. Raikitra, noho izany ny fitrandrahana baranahiny ataon’ireo mpitrandraka. Karazam-bato maro no hita ao amin’izany kariera izany ka anisan’izany ny Corindons. Amin’izao fotoana izao dia efa an-jatony ireo olona midina any an-toerana ary mifindra monina any mihitsy, araka ny vaovao voaray. Najanona avokoa ny asa tany sy ny voly mangahazo sy katsaka efa nahazatra. Mbola vitsy ireo teratany vahiny mitrandraka any amin’ny karieran’ny Jafaro fa ny tena olana eto dia ny fitrandrahana tsy ara-dalàna izay atahorana hahazo laka. Tokony handray andraikitra avy hatrany ny tompon’andraikitra amin’ny fametrahana arofanina raha tiana hizotra amin’ny tokony ho izy ny fitrandrahana any an-toerana satria ho ripaka avokoa ny ala arovana sy  ny tontolo iainana, hahazo vahana ny tsy fandriam-pahalemana ary indrindra eo amin’ny zaza sy ny tanora izay ahiana tsy handeha an-tsekoly intsony.

 

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre