Morafenobe – Karana vavy maty naolan’ny jiolahy
Vehivavy karana iray, 58 taona no hita faty tao an-tranony, ny faran’ny herinandro lasa teo, tamin’ny 1ora maraina, tao amin’ny fokontany sy kaominina Ravinala, distrakan’i Morafenobe. Nitsilany teo ambony farafara ny tenany ary tsy vitan’izay fa mbola nifatotra ny tanany sy notapenana tamin’ny lamba ny vavany. Nandritra ny fizahana nataon’ny mpitandro filaminana sy ny mpitsabo no nahalalana fa voaolana ity ramatoa ity. Tsy niakanjo ny tenany fa silipo sisa no teny ankodiny. Ary tsy nikasa ny hangalatra ireo nanao ity habibiana ity fa ny hanolana mihitsy saingy tsy mbola fantatra ny antony sy ireo nanao izany. Voamarina mantsy izany tamin’ny tsy nakan’ireo olon-dratsy ny vola mitentina 10 tapitrisa ariary sy firavaka volamena nipetraka tao amin’ny efitrano fandraisam-bahiny. Misokatra ny fanadihadiana.
Iray hafa maty voatsatok’antsy
Ramatoa iray 54 taona indray kosa no namoy ny ainy nisy namono, tany amin’ny fokontany Antetezambato, kaominina Maherivaratra, distrakan’Ambanja, ny 22 aprily lasa teo, tokony ho tamin’ny 8ora alina. Olona iray sendra handeha hitady azy no nahita azy nitsirara tao an-tranony. Nampandre ny tompon’andraikitra teo an-tanàna ny tenany ka nirohitra nidina teny an-toerana ny dokotera sy ny manam-pahefana hijery ny razana. Tamin’ny fizahana ity farany no nahafantarana fa maty nisy namono izy satria feno dian’antsy teo ambony masony havia. Natao ny fanadihadiana ka fantatra fa lehilahy iray monina tsy lavitra eo no nahavanon-doza. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ilay mpamono olona hatao famotorana.
Laurena Nany