Lasa bizina ny grevy !
Lasa bizina fotsiny sisa ny resaka grevy hoy ny zokibe iray izay. Rehefa tena zohina dia misy fahamarinany ny teniny satria lasa fomba amam-panao isan-taona fotsiny ny fitokonana etsy sy eroa fa tsy hita mazava izay tena vokatra. Efa aman-taonany tokoa mantsy ireo sendika miasa amin’ny Fanjakana no manao fitakiana sy fitokonana ary takalon’aina ny fiainam-bahoaka nefa tsy mety mahazo izay tadiaviny. Ny tena mahagaga anefa dia tsy maharitra ela ny grevy fa toa natao hampijaliana ny vahoaka fotsiny. Na tsy mahazo izay takiany aza mantsy ireo mpitokona dia miverina manohy ny asany toy ny tsy nisy na inona na inona ary milaza fotsiny fa efa nisy fifampiresahana tamin’ny minisitra mpiahy. Mampiharihary izany rehetra izany fa nisy nahazo tombontsoa manokana tany ambadika tany. Rehefa lany ireny fanambatambazana ireny dia miverina mitarika ny namany hanakenda ny raharaham-bahoaka indray mba hahazo bebe kokoa, noho ny teo aloha.
Tsy vao tamin’ity taona ity izany mpirakidraharaha izany no nanao fitokonana fa efa hatramin’ny ela. Niverina niasa hatrany anefa izy ireo avy eo. Toe-javatra roa no tsy maintsy nitranga dia ireto : na voavaly ny fangatahan’ny mpanao fitokonana dia niverina niasa izy ireo, na nisy fifanarahana ambadika ka nampitoniana ny toe-draharaha. Tsy tokony hisy intsony grevy miverimberina raha ilay voalohany no jerena satria efa voavaly ny fangatahana. Matoa izany mbola miverina ny fitokonana dia ilay faharoa no mitombina. Nisy fifanarahana mangina tany ambadika tany. Mety hoe nampanantena ny minisitra fa hamaly ny hetahetan’ny sendika rehetra saingy tsy nanatanteraka izany tamin’ny fangataham-potoana nomeny koa dia roso amin’ny grevy ny mpiasam-panjakana. Raha io toe-javatra io no jerena dia tena tsy lojika intsony satria ny fItondrana nifandimby teto tsy mbola nisy nahatana ny fampanantenana nataony ho an’ny mpiasam-panjakana. Izany hoe manao izay hialana sy hamonoana afo eo noho eo fotsiny dia tsy te hahalala avy eo. Fantatry ny mpiasam-panjakana tsara io fomba fanao io nefa mahagaga fa eken’izy ireo hatrany na dia hita mibaribary aza fa hamitaka ireo minisitra nifandimby. Ny lojika izany no jerena, ary iaraha-mahalala ny fahalemen’ny mpiasam-panjakana manoloana ny mena miraviravy dia ahiahian’ny vahoaka ho nisy mpitarika nahazo patsa in-dray mahandro tany ambadika tany ka manao izay hampiatoana ny grevy.
Io angamba no mahatonga ny olona hilaza fa lasa bizina sisa ny fitarihana grevy eto Madagasikara. Tsy mahagaga raha tsy asian’ny mpitondra Fanjakana vidiny satria fantany fa voavidy amin’ny fanomezana tombontsoa manokana ireo mpitarika. Voa mafy fotsiny ny vahoaka tsy manan-tsiny izay manao raharaha eny amin’ny sampan-draharaham-panjakana satria lany fotoana sy lany vola ary sahirana mivezivezy nefa avy eo ireo mpitokona miverina miasa toy ny tsy nanao na inona na inona ary hiverina hitokona indray afaka volana vitsivitsy. Manana ny rariny ny mpitondra Fanjakana raha sahy mirehareha amin’ny filazana fa misy fitononana politika eto satria vitany ao anatin’ny fotoana vitsy ny mamono ny afom-pitolomana etsy sy ero amin’ny alalan’ny fanomezana tambiny kely ireo mpiatrika mba hatsahatra ny fihetsiketsehana. Dia toy izany foana ny fomba fanao eto satria mody manangan’ady ireo fetsifetsy eny anivon’ny mpiasam-panjakana mba hampikatsoana ny raharaham-bahoaka. Atao takalon’aina mandavan-taona ny vahoaka malagasy ary tsy afa-manoatra fa dia mimenomenona sy mitaraina fotsiny sisa no azo atao. Raha tena mitaky ny zony sy tambin-karama tandrify azy ny mpiasam-panjakana rehetra dia mila miray hina miara-manatanteraka izany ao anatin’ny fotoana iray fa tsy mitsitokotoko samy manao izay hampalandina ny molony fotsiny. Ny tena loza dia na ireo samy mpiasam-panjakana aza mifanenjika sy mifampialona amin’ny resaka tombontsoa.
Ravalo tsy Manana