Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Fakana an-keriny tany Antsirabe – Misy mitaky ny hamotsorana ireo dimy lahy

Taorian’ny fahitana ilay karana nisy naka an-keriny tany Antsirabe sy ny fisamborana ireo 5 lahy, izay voarohirohy tamin’iny raharaha iny dia mandeha ny feo amin’izao fotoana izao fa nahazo fandrahonana ilay lasibatra. Misy olona voalaza fa mitaky sy mandrahona ny hamotsorana ireo olon-dratsy ireo. Rehefa niresahana an-telefaonina anefa ny tompon’andraikitra misahana ity raharaha ity dia nilaza ho tsy mahalala ny fisian’izany fandrahonana izany. “Tsy mbola voamarina ny fisian’io fandrahonana io na izany na tsy izany anefa dia tsy azo hamaivanina izany.” Manoloana izany indrindra dia nandray fepetra amin’ny fiarovana ilay karana ny mpitandro filaminana any an-toerana amin’ny fanamafisana ny fiambenana azy mba hisorohana ny mety ho fiverenan’ny fakana an-keriny. Tsy izy irery ihany anefa fa ireo teratany vahiny any Antsirabe. Fantatra amin’izao fotoana izao fa nampitomboana ny isan’ireo mpitandro filaminana manao fisafoana.

Araka ny voalazan’ny tompon’andraikitra misahana ity raharaha ity hatrany dia misedra olana izy ireo amin’ny fitondrana ireo dimy lahy eny amin’ny Fampanoavana, noho ny fitokonan’ny mpirakidraharaha. “Efa tapitra ny fe-potoana ahafahanay mitazona azy ireo. Raha hoentina amin’ny Fampanoavana anefa dia tsy maintsy hisy aloha fifampiresahana amin’ireo mpirakidraharaha. Raha manaiky ry zareo dia atao izany fa raha tsia dia voatery izahay mitazona azy dimy lahy.” Mahakasika ilay olona akaiky ny fitondrana voatonontonona amin’ity resaka fakana an-keriny ity dia efa mandeha ny fanadihadiana. Efa maro ihany koa ny anaran’olona nivoaka ary efa misy ny karohina.

 

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre