Fiadiana amin’ny fangerena an-kalamanjana – Tanàna miisa 15 000 no efa afaka tanteraka
Nanomboka ny taona 2010 dia nanapa-kevitra i Madagasikara fa ho foanana ny fiparitahan’ny tay mialohan’ny taona 2019 satria misy fiantraikany amin’ny fiainan’ny vahoaka. Efa misy ireo mpiantsehatra manao izany asa izany saingy ny fiaraha-mientan’ny rehetra no ilaina. Izay indrindra no nahatonga ny ministeran’ny Rano sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy amin’izao fotoana izao miezaka manaitra ny tompon’andraikitra rehatra amin’ny ady atao amin’ny fiparitahan’ny tay eto Madagasikara. Atomboka eny anivon’ny ministera tsirairay izany ka anjaran’ny ministeran’ny fitsinjaram-pahefana sy atitany no nanaovana fanairana omaly. Ny tanjona dia mba hiainan’ny vahoaka Malagasy amin’ny tontolo madio sy salama.
Azo foanana ny fiparitahan’ny tay
Hatreto mantsy dia ny fahazaran-dratsy sy hakamoana tsy te-hisahirana no antony mbola mampirongatra ity fangerena ankalamanjana ity. Eo ihany koa ny tsy fahafantarana ny voka-dratsin’izany amin’ny afitsok’ireo lalitra mandeha amin’ny sakafo. Amin’ity indray mitoraka ity, noho izany, ny zavatra mahasarotiny azy mihitsy no atao. “ Ny ambom-pon’ny tsirairay mihitsy no kitihina mba hahatsapan’ny tsirairay fa io fiparitahan’io tay io dia miverina any ambiliany ihany amin’ny alalan’ny lalitra izay tsy voabaikony”, hoy i Dr Rija Lalanirina Fanomezana, talen’ny fandaharan’asa Mcdi.
Azo atao tsara ny fanafoanana ny fiparitahan’ny tay satria mahatratra 15 000 ireo tanàna no efa afaka amin’io fahazaran-dratsy io amin’izao ary 3,5 tapitrisa ny lavapiringa nohatsaraina, ny taona 2015, araka ny tatitra voaray nandritra ny atrik’asan’ny Global sanitation fund, omaly hatrany, teny amin’ny hotel Carlton. Atrik’asa hiarahan’ny Water supply and sanitation collaborative council (Wsscc) sy ny governemanta Malagasy, ny Diorano Wash miasa ary 50 tapitrisa dolara amerikanina no vola nampiasaina ka 10 tapitrisa dolara amin’io avy amin’ny Wsscc, araka ny filazan’I Chris Williams, tale mpanatanteraka ny Wsscc.
L.N