Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Halatra lavanila – Jiolahy iray tapa-tanana sy vaky loha

Leo ny halatra lavanila miseho lany any amin’ny faritra Sava ireo fokonolona ka tsy namela nahazo mihitsy. Jiolahy miisa 3 nilanja lavanila halatra amin’ny gony no tra-tehaky ny andrimasom-panjakana ny alin’ny alatsinainy lasa teo, tokony ho tamin’ny 11ora, tany Sambava. Saika hanohitra ny iray rehefa nifanehitra tamin’ireo mpamboly tao Antsahabe, kaominina Soavinandriana ka niharan’ny angaredona avy hatrany, tamin’izay fotoana izay no tafaporitsaka ny roalahy. Notetehan’ireo fokonolona tamin’ny sabatra ny tanany ka tapaka avy hatrany. Toraka izany koa ny lohany izay niloloha ilay lavanila tamin’ny gony izay hatsembohan’ny hafa ka vaky ihany koa. Rehefa ela nampijaliana ilay olon-dratsy dia nanonona ny anaran’ny olona mpandray ny entana ary sambany vao nisy nanao an’izany. Ity farany izay monina ao amin’ny fokontany Besopaka, any Sambava. Nosamborina, ny talata maraina lasa teo, ilay mpividy lavanila halatra ary efa mandeha ny famotorana. Ilay jiolahy kosa indray nentina notsaboina ao amin’ny hopitalibe any an-toerana.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre