Vatomandry – Dokotera hita faty teo amoron-dranomasina
Lehilahy iray no hitan’ny fokonolona faty teo amoron-dranomasina, tany Vatomandry. Ny alatsinainy lasa teo, tamin’ny 6ora sy 30mn, tany amin’ny fokontany Manakambahiny, kaominina Sahamatevina. Nampandre ny tompon’andraikitra avy hatrany ireo nahita ny razana ka nidina teny an-toerana ny mpitandro filaminana niaraka tamin’ny mpitsabo hijery ifotony ny raharaha. Tamin’ny fizahana natao no nahalalana fa dokotera mamita iraka miaraka amin’ny Armada, ity maty an-drano ity. Nandeha nilomano no nialany tao an-trano dia izao ny fatiny naterin’ny rano teo amoron-dranomasina izao, araka ny loharanom-baovao.
L.N