Vehivavy hiteraka maty tany Diego – Maty fa tsy ampy vola
Vehivavy iray handeha hiteraka tao amin’ny hopitaly no namoy ny ainy, noho ny tsy fahampian’ny vola teo am-pelantanany. Tany Antsiranana no nisehoan’izany tranga mampalahelo izany, omaly maraina. Tsy nety nandray azy ireo dokotera, noho izany antony izany ka niafara tamin’ny fahafatesany. Araka ny vaovao voaray anefa kambana ny zaza tao ankibony. Kivy tanteraka ny fianakavian’ilay vehivavy manoloana ity tranga ity satria efa niezaka ihany izy ireo niangavy ireo mpitsabo saingy tsy nisy niraharaha. “Tonga teto izahay vao mangiran-dratsy handeha hampiteraka ny havanay saingy tsy nisy nandray mihitsy satria tsy ampy ny vola am-pelatanana. Efa niangavy ireo dokotera izahay amin’ny hampiterahana azy dia aloa aorian’ny fiterahana ny vola fa tsy nety izy ireo fa tsy maintsy aloha, hono ny rehetra ilaina vao mandray an-tanana azy ry zareo dia izao niafara amin’ny fahafatesan’ny havanay izao”, hoy ny olona akaiky ny manan-manjo.
Nilaza tsy hipetra-potsiny ireo fianakavian’ny maty fa hitondra ny raharaha eny amin’ny manam-pahefana satria tsy fanatanterahana ny fianianana natao sy tsy fandraisana andraikitr’ireo mpitsabo ity nitranga ity.
Araka ny vaovao voangona hatrany dia tsy vao izao fa efa nisy tranga iray tahaka izao ihany koa no niseho, tany an-toerana ny taona 2012. Vehivavy nitondra vohoka no torana tsy nahatsiaro tena manoloana ny hopitaly militera fa tsy norarahian’ny mpitsabo mihitsy fa nilaozin’ireo nijery baolina tamin’ny vata fahitalavitra. Tamin’izay fotoana izay dia nomena vola kely izy ireo vao nety nandray ilay vehivavy.
Laurena Nany