Vous êtes ici :

Samedi 23 Novembre 2024

ombre

Tofoka tanteraka ny vahoaka

Raikitra ny fitokonana sy ny fihetsiketsehana manerana an’i Madagasikara ! Tsy vokatry ny antso nataon’ny mpanao politika fa vokatry ny fitavozavozana sy ny tsy fahombiazan’ny mpitondra ny nampiavaka azy tamin’ity indray mitoraka ity. Jiro tsy mandeha, rano tapaka, fitaterana mitokona, vidin’entana misondrotra, asan-jiolahy mahafaty, … Lava ny lisitra ary tsy ho voatanisa avokoa, mijaly ny vahoaka raha atao indray mikapoka. Saika ho isan’andro lava izao dia misy zava-dratsy tsy ampoizina manimba ny fiainan’ny olona nefa ny tompon’andraiki-panjakana tsy hita izay vahaolana atolony.

Tsy misy mihaino ny antso sy ny fitarainana atao ary voarara ny fidinana eny Analakely koa aleon’ny olona mitokona eny amin’ny fokontany misy azy. Mailaka sy kinga ny mpitondra Fanjakana mandefa ny hery famoretana handrava ny fihetsiketsehana ataon’ny vahoaka isan-tanàna. Rehefa misy fanafihan-jiolahy anefa dia ora maro aty aoriana vao mipoitra ny mpitandro filaminana. Efa nadio ny rano nitan’ireo jiolahy ary efa tsy misy na inona na inona intsony vao mipoitra ny tompon’andraikitra ny filaminana.

Tena fahoriana no iainan’ny vahoaka ary toa latsa sy finiavana minia mikipy mba tsy hahita sy manampin-tsofina mba tsy handre raha toa ka misy sahy milaza ny mifanohitra amin’izany. Efa ela ny rehetra no niteny fa diso laharam-pahamehana ity fitondram-panjakana ity nefa misisika ihany amin’ny praograma tsy ahitam-bokany amin’izao fotoana izao. Tsy hita akory izay vokatra azo tamin’ny fikarakarana ireo fihaonamben’ny fampihavanam-pirenena dia nangingina iny resaka iny. Tsy notanterahina akory ny fehin-kevitra tapaka tamin’izany nefa tena nandaniana vola be tsy toko tsy forohana. Tsy mahagaga raha tratran’ny mosary ny mponina any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy satria vola tokony hitsinjovana azy ireo lanilaniana amin’ny fivoriana tsy ihinanan-kanina fotsiny.

Io indray fa tsy te hahalala afa-tsy ny frankofonia ny fitondram-panjakana ary mandany vola be mikararana amin’ny fanentanana ny malagasy hanaiky fa tsara ho an’ny firenena ny fandraisana ny fivoriamben’ireo firenena miteny amin’ny am-pahany na manontolo ny teny frantsay nefa na rano madio fisotro aza tsy azon’ny vahoaka manerana ny Nosy. Tsy tokony hotaitra ny mpitondra raha halam-bahoaka satria tena tsy mijery mihitsy ny tombontsoan’ny maro an’isa fa dia izay hanatanterahana ny praograma heveriny ho mety aminy ihany no mahamaika azy.

Resa-be fotsiny ny baiko voalaza fa nomen’ny filoha ny tompon’andraikitra mba hanamboarana ny lalana eto an-drenivohitra nefa tsy hita akory izay tena fiovana eto. Raha tsorina dia tofoka ny fampanantenana poaka aty ny vahoaka ka voatery tsy maintsy mioko noho ny fahadisoam-panantenana. Nampanantenaina fa hofaranana ao anatin’ny 3 volana ny delestazy nefa 28 volana aty aoriana vao maika mihamafy noho ny tamin’ny fotoana nandraisan’ny mpitondra ankehitriny ny fitantanana ny firenena.

Miharatsy ny fari-piainana nefa ireo minisitra sy ny forongony mirehareha fatratra fa nahavita be ary mahita fa tena mandroso be ny firenena. Tsy mahita ny zava-misy marina tokoa ve sa mody fanina sy minia tsy mahalala satria voky ny tombontsoa eo anivon’ny fitondram-panjakana ka tsy mieritreritra intsony ny fiainan’ny maro an’isa ?

Izany rehetra izano no mahatofoka ny vahoaka ary fantatry ny mpitondra tsara fa halan’ny malagasy izy ireo. Porofon’izany dia tsy misy minisitra, na iray aza, sahy midina any anaty fokontany any hanontany sy hijery ny tena zava-misy marina iainan’ny malagasy. Ireo mpiasam-panjakana ambony hafa sy teknisianina no alefa hiatrika ny vahoaka matetika.

Tsy eto Antananrivo ihany fa manerana an’i Madagasikatra mihitsy no misy fihetsiketsehana noho ny fahadisoam-panantenana sy ny fahasorenan’ny vahoaka amin’ny mpitondra sy ny fiainam-pirenena ankehitriny. Raha tena mitady vahaolana ny mpitondra dia mila mamitram-pihavanana amin’ny vahoaka satria aleo halan’andriana toy izay halam-bahoaka. Sarotra anefa ny hino fa hanao izany izy ireo satria ireo mpanolo-tsaina izay mitavana ny tombontsoam-pirenena tsy hamela ny filoha hihavana amin’ny vahoaka sao very fihinanana eo.

 

Ravalo tsy Manana

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre