Vous êtes ici :

Samedi 23 Novembre 2024

ombre

Ambatolampy – Fiara nifampikasoka saika latsaka tao ambany tetezana

Taksiborosy miisa roa ny iray marika Mazda, ny iray Sprinter Mercedes no niharan-doza, tany amin’ny lalam-pirenena Rn7, ny alarobia lasa teo tamin’ny 5ora sy 30mn, tany amin’ny 6km tsy hiditra ny tanànan’Ambatolampy raha avy aty an-drenivohitra. Handeha hianatsimo ilay fiara Sprinter raha toa ka hiakatra aty Antananarivo ilay Mazda. Teo amin’ny tetezana tokana no niseho ny loza rehefa samy tsy nandefitra ny roa tonta. Niara-niditra ilay tetezana izy roa ireo ka nifampikasoka ary saika ratsy no nahazo ilay Sprinter satria saika latsaka tao ambanin’izany tetezana izany. Araka ny angom-baovao voaray, efa saika tafavoaka ny tetezana ity farany no mbola niditra ihany ilay Mazda nefa samy nandeha mafy izy ireo. Nilaza anefa ny mpamily ilay Mazda fa diso ny saoferan’ilay Sprinter, “Izaho no tokony handeha voalohany satria avy aty ambany.” Tsy nisy ny aina nafoy fa naratra avokoa ireo mpandeha tamin’ireo taksiborosy roa.

 

Olona telo naratra teny Ivato

Mbola lozam-pifamoivoizana izay hatrany dia olona miisa 3 kosa indray no naratra, teny Ivato, ny alarobia maraina teo ihany. Fiara kely iray nisongona ny fiara teo alohany, teny Antanambao Andafiavaratra no nahatonga ny loza. Teo am-pisongonana indrindra mantsy ilay fiara no nipoitra tampoka ny môtô skotera nanao taingin-droa nifanohi-dalana taminy. Mafy ny fifandonana ka naratra mafy tamin’izany ireo teny ambony môtô sy ny olona iray tao anatin’ilay fiara. Efa manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly ireo naratra.

 

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre